Nanao ny fihanianany teo anatrehan’ny fitsarana omaly ireo mpikambana telo vaovao eo anivon’ny Fitsarana avo momba ny lalampanorenana, solontenan’ny filohan’ny Repoblika, dia Rakotoarisoa Jean-Eric, Raharison Yvonne ary Ravaoarisoa Fara Alice.
Niatrika ny lanonam-pitsarana momba izany tetsy Ambohidahy rahateo ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina ireo filohan’ny andrim-panjakana samihafa ankoatra an’i Christine Razanamahasoa, fa ny depiote zokiolona Ratsivalaka Michèle no solontenan’ny Antenimieram-pirenena. Amin’ny 20 martsa ho avy izao no hifidy izay ireo solontenany anakiroa ny Filankevitra ambonin’ny mpitsara. Ao anatin’ny fotoam-pivoriany manaraka ihany koa no hifidy ireo solontenany anankiroa avy ny Antenimieram-pirenena sy ny Antenimierandoholona.
Mpikambana CES
Taorian’iny lanonam-pihanianana omaly iny dia mipetraka eto ny fanontaniana ny amin-dRakotondrabao Andriatsihafa Dieudonné izay solontena tokan’ny Fitsarana avo momba ny lalampanorenanana ao amin’ny Fitsarana manokana momba ny fifidianana na CES. Amin’ny naha mpikambana azy tao amin’ny Fitsarana avo momba ny lalampanorenanana no nampisy azy tao amin’ny CES. Isan’ireo mpikambana telo nosoloina tao amin’ny HCC anefa Rakotondrabao Andriatsihafa Dieudonné, hanaraka izay fanavaozana mpikambana izay ve ny solontenan’ny HCC eo anivon’ny CES sa hijanona amin’izao endriny izao, amin’ny fitsarana ny fifidianana solombavambahoaka izay haverina amin’ireo Distrika efatra dia Ambanja, Belo Tsiribihina, Marovoay ary Sainte Marie ?
JD
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.