Dimy taona sazy miantona. Izany no didim-pitsarana navoakan’ny tribonaly nanamelohana ny ny Ben’ny tanànan’Ambohibao Antehiroka sy tompon’andraikitra eo anivon’ny Kaominina.
Miteraka resabe ity didim-pitsarana ity ankehitriny satria dia nototofana ny rariny sy ny marina, hany ka tsy vitsy no mihevitra fa didim-pitsarana politika ity nivoaka ity ary ahiana hampisavorovoro eny Ambohibao Antehiroka eny.
Niaiky
Rehefa nahatsikaritra ny Ben’ny tanàna tamin’ny taona 2011 fa kely ny vola voaray avy amin’ny Trésor, dia izy tenany mihitsy no nandeha tany amin’ny tompon’andraikitra ambony ao amin’ny ministeran’ny fitantanambola. Hita tamin’izany fa nivily lalana any amin’ny banky hafa ny vola, ka ny Delegem-panjakana no nanome alalana ny amin’izany. Tsy niasa irery anefa ity farany fa anaty tambajotra mihitsy, ka misy mpiasan’ny Kaominina, eny fa hatramina mpiasan’ny Trésor koa aza voalaza fa iray tsikombakomba taminy. Ny hetra tokony hiditra ho an’ny Kaominina, izany hoe ny volam-bahoaka, no nanaovan’izy ireo pasy baolina. Rehefa niaiky ingahy Delege dia namerina ny ampaham-bola ary nanamarina izany tamin’ny taratasy.
Tato aoriana nefa dia nilaza izy fa noteren’ny Ben’ny tanàna hanome io vola io sy nanao ilay taratasy ary nametraka fitoriana teny amin’ny tribonaly. Dia talanjona sy nalahelo ary tezitra mafy ny vahoaka tompom-bola raha nahare ny valin’ny didim-pitsarana fa ny Ben’ny tanàna sy ny tompon’andraikitra eo anivon’ny Kaominina indray no meloka ka migadra dimy taona sazy miantona, manginy fotsiny ny fanoneram-pahavoazana asaina aloany.
Manoloana ny Didim-pitsarana nivoaka ka manameloka ny mpitantana ny tanànan’Antehiroka sy manome rariny ny olona izay hitam-poko hitam-pirenena fa nanodinkodina ny volan’ny Kaominina, dia nanao fanambarana ny solontenan’ny vahoakan’Antehiroka ny alahady teo, milaza fa “izay mahazo ny Mpitantana ny Kaominina dia mihatra amin’ny vahoaka, koa vonona hijoro hatramin’ny farany hiaro azy ireo sy ny fananan’ny Kaominina izahay vahoaka. Mangataka amin’ny mpitondra fanjakana ankehitriny mba hijery sy hanaraka ary hampanjaka ny rariny sy ny marina eo anatrehan’ny Tribonaly momba ny raharahan’Antehiroka”. “Hampanjakao ny marina raha tena misy fanjakana tokoa eto”, hoy ny fanambarana. Milaza marindrano ny vahoaka ao an-toerana fa “tsy ekenay ny didy navoakan’ny Fitsarana mikasika ireo solontenan’ny Kaominina” izay tena miasa tokoa. Mitaky ny hamerenan’ireo voarohirohy ny volam-bahoaka tsy misy banga koa izy ireo.
Nanonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.