Politique

Ambalavao Olona 50 no efa voasolokin’ilay pastera sandoka


  • Zoma 13 Mey 2022

Betsaka ireo tsy an'asa eto amintsika. Mitombo isa hatrany izany indrindra fa ny tanora antony mahatonga ireo tsy mataho-tody hanararaotra azy ireny.

Ho an'ny distrikan'Ambalavao ohatra dia ankizy miisa 50 no efa voasolokina lehilahy iray izay mitonona ho pastera amin'ireny fiangonana zandriny ireny. Milaza fa mahita asa izy ary hakany vola ireo ankizy. Eny am-piandohana dia lazainy fa hanamboarana ireo antontan-taratasy maro isan-karazany ny vola omena azy hahafahana mamonjy ilay asa any ivelany hampanantenainy izay tsy voafaritra. Rehefa vita izany dia hakany vola indray ny ankizy hatao saran-dalana Ambalavao Antananarivo mandroso sy miverina hanamboarany ilay passport ono. Mangina tanteraka izy aorian'izany ka rehefa hanontaniana dia andraso andraso lava ny valiny. Ny nahavariana ireo ankizy any an-toerana dia tsy azo an-telefaonina intsony Ingahirainy ary fantatra fa efa nifindra toeran-kafa. Karohina fatratra ny lehilahy amin'izao. Ny mahavariana amin'ny tranga tahaka itony dia mbola misy hatrany ireo olona voafitaka mikasika ny fahafahana mahazo asa any ivelany. Amin'ny ankapobeny mantsy dia tokony misy agence izy ireny fa tsy izay rehetra mahay miresaka dia hametrahana fitokisana avy hatrany. Anatra ho an'ireo mbola tsy tratra ity tranga ity.
Pati
Legende : Ity ilay lehilahy mitonona ho pastera
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT