Notanterahina omaly 20 febroary ny lanonana ara-pitsarana fianianan’ireo mpikambana ao anatin’ny Fitsarana Avo (HCJ),
izay rafi-pitsarana manokana afaka hitsara ireo olona ambony toy ny filohan’ny Repoblika, praiminisitra, lehiben’ny andrim-panjakana, minisitra, raha voamarina fa nanao hadisoana goavana teo amin’ny andraikitra nosahanin'izy ireo teto amin’ny firenena. Nanatrika izany ny minisitry ny fitsarana Atoa Andriamahefarivo Johnny Richard sy ireo tompon’andraikitra maro ao anatin’ny governemanta, ny filohan’ny antenimieram-pirenena Christine Razanamahasoa, ny governoran’Analamanga Hery Rasoamaromaka, ny ben’ny tanànan’Antananarivo Naina Andriantsitohaina,… 12 ny dosie avy amin’io rafitra io efa any Antenimieram-pirenena hatramin’ny taona 2019, ary iray ho an’ny taona 2020, izay eo am-pandinihana amin’izao fotoana. Tsy mbola misy ny fanapahan-kevitra noraisina, hoy ny tonia mpampanoa lalàna ambony eo anivon’ny HCJ Andriantianarivelo Réné José. 25 ny dosie hatramin’ny nitsanganan’ny HCJ. Hiankina amin’ny fepetra voatondron’ny lalàna sy ny lalàmpanorenana no ahafahana manenjika ireo olona voarohirohy izay tompon’andraiki-panjakana ambony. Raha tsorina dia minisitra teo aloha no voahenjika ary nisy ny efa natao fanadihadiana teny amin’ny fitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly. Fanodinkodinam-bolam-panjakana, ahiahina famoronana kaontim-bola, araka ny tsiliantsofina re no vesatra hanenjehana ireo manampahefana teo aloha ary sarotsarotra ihany ny fiarovan-tena amin’izany, hoy ny mpahay lalàna nanontaniana .Na izany aza, tsy misy azo atao raha tsy ekena eny anivon’ny antenimieram-pirenena izay fehezin’ny hery politika momba ny fitondrana amin’izao fotoana ny volavolam-piampangana. Hisy ny tranonkala azon’ny rehetra jerena ho an’ny HCJ. Hitsangana ao anatin’ny fivoriana ara-dalàna manaraky ny antenimiera kosa ny vaomiera manokana handinika ireo dosie, araka ny fanazavan’ny filohan’ny antenimieram-pirenena Christine Razanamahasoa.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.