Politique

Alarobia tsy miverina


  • Alarobia 08 Desambra 2010


Hafa kely indray ny lalao amin’ity ry Jean a ! Afomanga, rindrankira, trano manjelatra laroina bla bla no valim-pitia amin’ilay 74% ka hisarihana olona ho eny Mahamasina amin’ny sabotsy. Faharesen-dahatra tsotra izao hanavotra ny firenena latsaka an-katerena kosa indray anefa no hitranga eny Alarobia anio. Asa aloha ry Jean fa ho an’ny mpanara-maso dia nilatsahan’ny fanahy masina ry zalahy teny Tsimbazaza teny matoa nanaiky ankamorana ny hanome alalana ny Ankolafy Telo hamory olona eny amin’ny kianjan’Alarobia io. Ny marina dia tsy misy te ho tratra farany ny olona e ! Efa manimbolo ilay tetezamita tena izy ry zalahy ka ny azy no nataony tonga aloha. Ianareo toa lany andro ampisikidiana miketrika izay hampiesonana lava ny eto an-tanàna izao, tsy hahatsapa intsony ny fahoriana efa mby ankodiny. Manaraka izay efa manoman-tena fatratra ny zanak’i Dada. Niverina an-kianja izy ireo ary nisafidy ny kianjan’ny Finoana tao Behoririka, hiomana ka tonga amin’ny hoe alatsinainy miomanomana, talata maka bahana, alarobia tonga dia lasa … Ka moa va tsy ho ity ilay alarobia tsy miverina raha izao no fiaingany ! 

Marco

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

Hijery ny tohiny
FTT