Politique

Alaotra Mangoro Hiverina an-kianja indray ny mpanohitra


  • Alarobia 01 Desambra 2010

Raha asa mangina hatrany no nataon’ny mpanohitra izao fitondrana FAT izao any amin’iny faritra Alaotra Mangoro iny teo aloha teo, dia fantatra izao fa hiverina an-kianja indray izy ireo haneho ny heriny manoloana ireo tsy rariny mitranga eto amin’ny firenentsika.

Ny faran’ny herinandro teo izy ireo no niara-nidinika sy namolavola ny paik’ady hitondrana ny hetsika. Ny tsikaritra dia olona ivelan’ny antoko politika ny ankamaroan’ireto vondron’olona hijoro hanohitra ny tsy mety eto amin’ny firenena ireto. Takian’izy ireo amin’izany ny fananganana ny tetezamita iarahana, ny fampodiana ireo sesitany politika rehetra any ivelany any. Fa ny tena misongadina dia ny fangatahan’izy ireo ny tokony hanafoanana ny voka-pifidianana tamin’ny fitsapan-kevi-bahoaka farany teo. Fantatra fa misy amin’ireo manodidina ny FAT no efa miara-dia amin’ireto vondron’olona ireto ka amin’ny fotoana izay heverin’izy ireo fa hitsanganan’ilay tetezamita iraisana vao hiseho vahoaka izy ireo. Fanantenan’ireto vondron’olona ireto ny hifaranan’ny fitondran’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita (FAT) miaraka amin’ity taona 2010 ity. 

Nangonin’i Jean D.
 
Sary : Hetsiky ny mpanohitra ao Ambatondrazaka (Tahirin-tsary)

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

Hijery ny tohiny
FTT