Politique

Alain Tehindrazanarivelo Hahazo 2 miliara dôlara isika raha …


  • Alarobia 05 Janoary 2011

Nanamafy ny Pr Tehindrazanarivelo Alain, mpikambana ao amin’ny CST sady mpitarika ny antoko Enina, fa vola be tsy latsaky ny 2 miliara dolara no mety ho azon’i Madagasikara raha toa ka tafantsangana ny tetezamita iaraha-mitantana ary tonga ny fankatoavan’ny sehatra iraisam-pirenena.

Tokony hazava tsara anefa ny resaka araka ny nambarany fa mila tafiditra ao amin’ny fitondrana tetezamita avokoa indrindra fa ao anatin’ilay governemantan’ny firaisam-pirenena, ireo ankolafy politika rehetra sy ireo mpanao politika nanamarika ny krizy. Tsy maintsy hitarina araka ny nambarany ny CT sy ny CST saingy anisan’ny hitarafana ny fisian’ny tena fisokafana sy fiaraha-mitantana ny firafitry ny governemanta, ka tokony hanana ny anjara toerany ao ny ankolafy rehetra, ary tsy misy tokony hahazo tombony fa mitovy ny isan’ny seza azo.

Tsy ny praiministra sy ny ministra irery anefa no mahavita ny asa fa ireo olona manana traikefa amin’ny fitantanana sy ireo teknisianina maro be ka noho izany dia mila itarina hatrany ny fizarana ny toerana. Manamafy ny profesora Alain Tehindrazanarivelo, ministry ny fahasalamana teo aloha, fa mila ny fankatoavana iraisam-pirenena isika raha tena te hivoaka amin’ny krizy satria tsy ho ampy hiasana sy hanatanterahana ireo tetikasa maro samihafa ny vola eo am-pelatanan’ny Fanjakana, na dia efa misy aza ny fitsitsiana ; mitaky ny hametrahana ny fiaraha-mitanana tena izy anefa ny avy any ivelany koa tsy maintsy miroso amin’izay isika ka tsy hijanona amin’izao, azo ambara fa mbola fitantanan’ankolafy tokana izao, ka ny fametrahana ilay governemantan’ny firaisam-pirenena ahitana taratra ny fiaraha-mitantana no tena andrasana.

 TTSary : Profesora Alain Tehindrazanarivelo, filohan’ny antoko Enina

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso lĂ lam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT