Politique

Alain Ratsimbazafy “Tokony ampiana aza ny isan’ny loholona”


  • Talata 22 Septambra 2020

Niainga tany amin’ilay fandaniana ny hitsivolana noraisin’ny filoham-pirenena nandalo teo anivon’ny antenimiera roa tonta ary nananganana ilay vaomiera ikambanana isasahana isika, hoy ny solombavambahoaka, Alain Ratsimbazafy.

 

Nisy ny endrika amboletra nataon’ny parlemantera mpomba ny fitondrana ka tsy nahafahana nandinika akory ireo hitsivolana ireo fa nolaniana teo anivon’ny antenimieram-pirenena rehefa avy nivory sy nanapa-kevitra ny vaomiera fa hoe tsy mahefa handinika ireo tolo-dalana ireo. Hitantsika koa ny fandraisan’ny praiminisitra ny fanapahan-kevitra nalefa teny amin’ny antenimieram-pirenena amin’ny fiantsoana amin’ny hanatanterahana ny fandaniana io tolo-dalana io. Ireny rehetra ireny, hoy hatrany izy, dia ahitantsika taratra fa nisy tsy fanarahan-dalana sasantsasany niniana tsy nojerena eto amin’ny firenena fa ny ahatongavana any amin’ny heritreritry ny fitondrana ihany no hanehoany izay endrika amboletra izay. Alahady ny filoham-pirenena no nilaza fa ny 11 desambra no atao ny fifidianana dia alarobia taorian’izay ny CENI vao nanambara hoe ity ny tolokevitray. Tsy mahaleo tena ny CENI fa mandray baiko midina fotsiny. Fantatra fa vanim-potoam-pahavaratra ny volana desambra ka inona no mbola mampisisika ny fanjakana hanatontosa io fifidianana io? Nandray lesona isika tamin’ny fifidianana solombavambahoaka. Tapitra ny fe-potoam-piasan’ny depiote tamin’izany fa nisy fotoana tsy nisy depiote taorian’izay. Izany hoe nojerena ny vanim-potoana nahafahana nanao ilay fifidianana. Voalaza ao amin’ny andininy faha 81 sy 82n’ny lalampanorenana fa ny mpifidy vaventy dia voafaritra amin’ireo olom-boafidy eo anivon’ny faritany, ny faritra, ny kaominina. Mbola tsy vitantsika ny fifidianana ben’ny tanana sy mpanolontsaina anivon’ireo kaominina vitsivitsy miisa 24 eo. Maninona raha vitaina aloha? Ny governora voatendry ve ho mpifidy vaventy sa tsia ary aiza koa ny mpanolontsaina mifanaraka amin’izay? Hatramin’izao tsy misy fifidianana. Tokony ho tanterahana hisian’ny fifandanjana amin’ny mpifidy vaventy ireny, hoy izy. Ny may 2021 no fivoriana ara-potoana voalohan’ny loholona. Sao dia misy fifidianana azo tanterahana hahafeno ireo mpifidy vaventy mandram-pahatonga izay, hoy izy, aloha? Tokony ho jerena aza, hoy izy, ny hanampiana ny isan’ireo loholona ireo satria miahy ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana toy ny faritra sy kaominina. Fara-faharatsiny tokony hisy loholona maromaro misahana faritra iray kanefa ny loholona heverina ho fidiana dia 18 isa raha toa 22 ireo faritra. Hanao ahoana izany ireo faritra hafa, hoy hatrany izy ?

 J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT