Fandrika. Izay no azo ambara manoloana ny filazana fa misy ben`ny tanàna sy
mpanolontsaina avy amin` ny Tiako i Madagasikara handray fifidianana loholona, araka ny nambaran` ny depioten`Atsimondrano, Alain Ratsimbazafy. “Misy kajikajy politika ataon` ny fitondrana momba ny fifidianana loholona. Nisy karazana fandrika natao tamin` ireo ben`ny tanàna sy mpanotsaina ny sabotsy lasa teo. Nampiasaina ny “fiche de présence nahafahana nanasoketahana ny olom-boafidy TIM”. Nambarany hatrany fa tsy mivaky sy tsy mivily lalana ireo mpikambana ao anaitn` ny antoko Tiako I Madagasikara. Tsy misy ny mpamadika palitao ary tsy hiova izay firaisan` ny mpikambana TIM, hoy hatrany ny fanazavana.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.