Politique

Alain Ratsimbazafy “Ahiana ny hoavin’ny fiangonana”


  • Zoma 04 Desambra 2020

Misy ny fanelezana tsaho ankehitriny fa misy mpifidy vaventy mpikamban’ny



antoko politika Tiako I Madagasikara no manohana ny fitondram-panjakana amin’ny fifidianana ny 11 desambra izao, hoy ny solombavambahoakan’i Madagasikara voafidy teny Atsimondrano, Alain Ratsimbazafy. Maro ny famiravirana ara-bola momba izany. Hitanay ny fampiantsoana ataon’ny antoko politika samihafa ireo mpifidy vaventy ireo. Ambaranay fa tsy ho voarebirebin’izany ny TIM. Manana etika politika ny mpikambana ao ary hitazona ny teny nomeny amin’ny andron’ny fifidianana. Izay no toromarika avy amin’ny filoha nasionalin’ny antoko dia ny hoe tsy mandray anjara amin’io ny mpikatroka TIM. Raha malemy ny mpanohitra dia tsy nivoaka ireny mpitandro filaminana marobe ireny. Nambaranay foana fa vitsy an’isa izahay saingy maro ny vahoaka manaraka ny foto-kevitray. Mila mamantatra ny misy eny ifotony raha maniry hitantana firenena ary ny fitsidiham-paritra dia ahafahana mandray ny sosokevitra sy tarainam-bahoaka ahafahana mamadika azy ho tetikasa rahampitso. Manameloka tanteraka ny fihetsika nasehon’ny mpitandro filaminana tamin’ny filohan’ny antoko TIM izahay satria manana zo feno hivezivezy ny olom-pirenena ary manana fahalalahana handeha amina fotoam-pivavahana. Ny fidiran’ny mpitandro filaminana anatin’ireny faritry ny fiangonana ireny dia sanatria toy ny maneho fa anaty tany miady isika. Miantso ny mpitondra fiangonana haneho hevitra aho, hoy izy, satria mampanahy ny hoavin’ny fiangonana eto Madagasikara, raha ireny no mitranga, hoy hatrany ity depiote ity.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT