Politique

Alain Ramaroson Tsy matahotra na hamoronana dosie aza


  • Sabotsy 03 Novambra 2012

Nandritra ny nivahinianany tao amina fahitalavitra tsy miankina iray, teto an-drenivohitra ny alakamisy alina teo no nanambaran’i Alain Ramaroson, filohan’ny vaomieran’ny fandriampahalemana sy filaminana eo anivon’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita (CST) fa tsy matahotra milaza ny marina izy, ary tsy azo tapenam-bava na ampanginina satria «tsy nangalatra na nanao trafikana boaderozy».

 Henjankenjana tahaka ny nahafantarana azy hatramin’izay ny fanehoan-keviny ary tena mbola namotsopotsorany fa novonoina Rtoa Nadine Ramaroson ary manana porofo momba io raharaha io izy sy ny fianakaviany. Nambarany fa antony roa no mety nahatezitra ireo andian’olona nampamono ity minisitry ny mponina teo aloha ity. Ny voalohany dia ny filazany (Nadine Ramaroson) fa hataony ny ampamoaka momba ny boaderozy, ny faharoa kosa dia noho izy nahavita nitety an’i Madagasikara sy tena nanakaiky ny fon’ny vahoaka. Tsy hanaiky hatramin’ny farany ny tenako, hoy i Alain Ramaroson fa tsy maintsy mivoaka ny marina rehetra. Tsy hampihemotra ahy mihitsy, hoy ihany izy, ireo ramatahora natao sy mbola atao amiko. Nambarany moa fa atao famotorana sy fanadihadiana fatratra ireo zandary sy miaramila niambina azy teo aloha, ka anontaniana izay zavatra rehetra nataony, ny toerana rehetra nalehany sy izay olona mety nihaona taminy, ary koa nanontaniana raha mitahiry fitaovam-piadiana izy.

Araka ny filazan’i Alain Ramaroson dia maromaro ny dosie foronina any ambadibadika any mba haminganana azy. Misy, ohatra, ny filazana fa izy no ao ambadi-dRemenabila sy ny fanaovana “kidnapping” tany Toamasina. Tsy misy mitombina anefa izany, hoy i Alain Ramaroson fa dia fanosoram-potaka tsotra izao. Momba ny resaka ady tany koa dia hentitra ny tenin’ity filohan’ny vaomieran’ny fandriampahalemana sy filaminana eo anivon’ny CST ity fa dia hijoro hiaro ny vahoaka Malagasy izy, fa tsy hanaiky ny didin’ny be sandry ataon’ny vahiny na olona ambony sy manambola ka mibodo tanin’olona etsy sy eroa. “Asa natomboky ny minisitra Nadine Ramaroson izany ka tsy maintsy tohizako”, hoy izy. Notsoriny fa tsy mbola niresaka momba ny raharaha Nadine Ramaroson mihitsy izy sy ny filohan’ny tetezamita Andry Rajoelina, ity farany anefa no tokony ho saro-piaro amin’ny fikarohana ny marina rehetra, hoy i Alain Ramaroson satria mpamakilay tamin’ny tolona natao teto Rtoa Nadine Ramaroson no sady anisan’ireo mpinamana akaiky tamin’ny filohan’ny tetezamita. Manoloana ireo olana ara-tsosialy sy ny fitakiana sendikaly indray, dia nilaza i Alain Ramaroson fa tokony hahay handamina izany ny fitondrana tetezamita fa tsy vao miha mampiasa hery indray handranitana ny vahoaka efa tena sahirana. Mandamina dia mampiampita no asan’ny tetezamita fa tsy mamorona zavatra hatao, hoy izy.

Efa mazava ny resaka eto fa vaky ny ady eo amin’i Alain Ramaroson sy ireo mpitondra tetezamita niara-dia taminy tamin’ny 2009, anisan’izany i Andry Rajoelina sy ireo olona akaiky azy. Raha izao no fandehany dia tsy maintsy ho maromaro ihany ny tsiambaratelo hivoaka ato ho ato, raha toa ka manao be marenina amin’ny fikarohana ny tena marina momba ny nahafatesan’i Nadine Ramaroson ny mpitondra.
 
RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT