Politique

Alain Ramaroson Notsoahan’ny jeneraly Ravalomanana ireo zandary mpiambina azy


  • Zoma 05 Oktobra 2012

Tsy resaka fifamaliana am-bava intsony fa mitatra lavitra hatrany izay tsy mbola fantatra ny hiafarany ny ady eo amin’ny CST Ramaroson Alain andaniny sy ry jeneraly Ravalomanana, kaomandy vaovaon’ny zandary miaraka amin-dry Andrianainarivelo Hajo, praiminisitra lefitra misahana ny fampandrosoana ankilany.

 Mivoatra isan’andro ny toe-draharaha taorian’ny nanaovan’i Alain Ramaroson ampamoaka momba ny nambarany fa famonoana ny minisitra Nadine Ramaroson ka nanondroany ireto farany ho anisan’ny tompon’antoka tamin’izany. Taorian’ilay fandefasana vadintany sy Emmo-Reg 20 lahy teny an-tokantranon’i Alain Ramaroson ny talata lasa teo dia ny fanesorana ireo zandary 9 mirahalahy mpiambina azy indray no nanamarika ny omaly alakamisy 04 oktobra. Zandary mirahalahy ka lietna ny iray no tonga teny Andoharanofotsy nitondra taratasy 2 izay voalaza fa avy amin’ny jeneraly Richard Ravalomanana mihitsy tokony ho tamin’ny 10 ora maraina.

Famerenana any andakazera ireo mpitandro ny filaminana ireo no votoatiny izay nomarihan’ny mpiara-miasa akaiky amin’ny filohan’ny vaomieran’ny fandriampahalemana ao amin’ny CST fa taratasy nosoratana tanana ny voalohany raha “télégramme” kosa ny faharoa. Tsy nisy ny fidirana ankeriny tahaka ny zava-niseho tamin’ny talata fa nangataka alalana tamin’ny tompontrano ireto farany ary rehefa tafiditra tao an-tokotany dia nihaona tamin’i Alain Ramaroson. Efa nampandrenesina mialoha tamin’ny antso an-tariby ny fandaozany ny asa maha mpiambina akaiky an’i Alain Ramaroson azy ireo ireto zandary 9 mirahalahy ireo, araka ny fanazavana fa ny taratasy ara-panjakana sisa no nandrasana. Tsy niandry ela fa latsaky ny 24 ora taorian’ny nametrahana azy kaomandin’ny zandary dia nampiasa ny fahefany ny jeneraly Richard Ravalomanana. Ny raharaha mahakasika azy manokana no nataony laharampahamehana amin’izany. Andrasana koa ny hafainganam-piasa toy izany amin’ny fanenjehana an-dry Remenabila.

Fa fanontaniana kosa no napetrak’i Alain Ramaroson manoloana izao nanesorana ireo zandary teo aminy ireo. “Inona no idiran’ny fisintonana zandary miambina azy amin’ny resaka Nadine Ramaroson ? Sa misy zavatra tiana hatao ao ? Inona no ikoropahana ? Sa lasa raharaham-pirenena izy ity ? Raha izay tokoa, maninona no tsy natao vao nitranga ny loza ? Ny minisitra mantsy tao anaty Governemanta no namoy ny ainy. Nilaza koa i Alain Ramaroson fa olona nanao “menace”, nandrahona, an’i Nadine Ramaroson ireny olona notononony anarana nivantana ireny ka tokony hohadihadiana. Hentitra moa ity filohan’ny vaomieran’ny filaminana sy fandriampahalemana ity nilaza fa tsy hilavo lefona fa hitady ny marina momba iny raharaha iny, araka ny hafatry ny fianakaviana Ramaroson.

Yves 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libĂ©ration
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT