Politique

Alain Ramaroson Miara-dalana hatrany amin’ny ambany tanàna


  • Zoma 30 Jolay 2021

Miara-dia hatrany amin’ny ambany tanana Atoa Alain Ramaroson, filohan’ny antoko Masters no sady filohan’ny voamieran’ny fiarovana teo anivon’ny filan-kevitra ambonin’ny tetezamita teo aloha.

 Tonga nitsidika ny fikambanana FTMR6 na ny fikambanan’ireo tanora ambany tanana mpanao rugby manerana ny Boriborintany 6 ny tenany omaly. Teny Andavamamba no nisian’izany fihaonana izany ka nilazan’Atoa Alain Ramaroson fa eo hatrany izy miaraka ary miaraka amin’ny rehetra. Ankoatra izany dia naneho ny heviny ihany koa ny fikambanana FTMR6. Nambaran’ny filohany fa tsy hanaiky mora foana ny fikasana hifofo ny ain’ny filoham-pirenena izy ireo satria olom-boafidy ny filoha fa tsy napetrapetraka fahatany. Miantso ny rehetra eny ambany tanana mba hiray hina araka izany ny tenany ho tombontsoa ambonin’ny firenena. Mbola nanamafy hatrany moa Atoa Alain Ramaroson fa ny firaisankina no hery ka tokony hifanohana sy hifanome tanana ny rehetra amin’izao lalan-tsarotra lalovan’ny firenena izao.
Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT