Politique

Alain Ramaroson Manamafy fa hanao ampamoaka


  • Talata 25 Septambra 2012

Nohamafisin’ny CST Alain Ramaroson omaly raha tafaresaka tamin’ny mpanao gazety tetsy Anosikely izy fa tanany ny teniny ka amin’ity volana septambra ity no hamoahany ny vokatry ny fanadihadiana nataon’ny fianakaviana mikasika ny famonoana ny minisitra Nadine Ramaroson tamin’ny taon-dasa.

 Tsy azo ambara ofisialy ny daty noho ny fitandroana ny fandriampahalemana, hoy izy, fa amin’ity volana ity fotsiny izany. Fa eo am-piandrasana izany aloha dia nanisy teny mikasika ny fanangonana ny voin-kava-mahatratra ho an’ny any Atsimo izy. Deraiko ny olona any Atsimo, hoy i Alain Ramaroson, manana fihetsika mendrika fa n’inona n’inona mahazo azy dia tsy mba itarainany izany fa zakainy fa isika no mahatsapa fa misy ain’olona tokony havotana noho ny afitsoky ny dahalo any ka voatery mitsoaka ny fonenany ka tsy manana n’inona n’inona intsony.

Nambarany fa mahatratra 5 alina ankehitriny ny mpitsoa-ponenana any Atsimo noho ity asan-dahalo ity, tsy maintsy vonjena haingana ary hitarika ny delegasiona CST sy CT hidina any an-toerana izy hanatitra ireo tsirambin’ny tanan’ny Malagasy ireo. Fa ao am-pon’ny Malagasy tonga manatitra ny anjarany etsy Anosy koa aloha ka vetsoiny tsimoramora ny hoe : aoka mba hangarahara ny fampahafantarana ny voaangona rehetra sy ny fanaterana izany any am-potony, fa tsy ho sanatria ho tonga amin’ilay teny zary lasa maneso hoe : “manomeza kely hanarenana ny Rova”.

Manohy 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT