Manameloka tanteraka ny fitazonana am-ponja vonjimaika ny tangalamena Patrick Zakariasai Alain Ramaroson. Tsy mety ary tsy rariny izany, hoy izy, omaly.
“Nahoana moa no tapenam-bava foana ny olona sahy milaza ny marina ?”, hoy ity filohan’ny vaomieran’ny filaminana sy fandriampahalemana ao amin’ny CST ity. Izany ihany no efa nandrodanana ny fitondrana teo aloha kanefa dia miverina indray amin’izao fotoana io fomba ratsy io. Efa tena tsy misy mandeha amin’izay laoniny intsony mihitsy ato anatin’ny tetezamita, hoy ihany izy. Momba ny fiantsoana azy eny amin’ny zandarimariam-pirenena kosa dia tsy tena mazava ny antony. Na izany aza anefa dia azo heverina ihany fa misy ifandraisany amin’ny resaka ady tany ilay izy. Matetika mantsy no nifanolana tamina mpanambola na tompona orinasa noho ny fiarovany ny vahoaka, nambarany fa niharan’ny tsy rariny amin’ny resaka ady tany, ity mpikambana CST ity, ary fony fahavelon’ny minisitra Nadine Ramaroson dia izy mianaka mihitsy no efa nifamaly tamin’ny tompon’andraiki-panjakana sy olona milaza fa tompona tany, tany Mahajanga ka nahatonga ny fampiatoana mihitsy ny fanamboarana ny trano mora tany an-toerana.
Mikasika ilay raharaha nahafaty an’i Nadine Ramaroson kosa dia nanamafy i Alain Ramaroson fa tsy hanaiky hatramin’ny farany izy fa tsy maintsy mipoitra ny marina amin’io. Tsy hampihemotra ahy mihitsy ireny nataon’ny Emmo-Reg tamiko ireny hoy izy. Ny an-dry zareo mety hery sy basy no ianteherany, fa ny ahy kosa dia ny vahoaka no ao an-damosiko, hoy i Alain Ramaroson. Raha ilaina dia afaka mitsangana indray hanohitra ny tsy rariny izy ireo. Tsikaritra tamin’ny fanazavany fa rehefa tena mikiry amin’ny tsindry bokotra etsy sy eroa ny fitondrana tetezamita dia mety hitarika vahoaka hidina an-dalambe sy hanongam-panjakana indray Atoa Alain Ramaroson.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.