Politique

Alain Mahavimbina “Tsy matahotra fanadihadiana aho”


  • Alatsinainy 12 Novambra 2012

Nisafidy ny andro sabotsy teo ny Gara TGV Toamasina nanaovana asa sosialy nanolorana «kits scolaires» niisa 1.200 tamin’ireo ankizy avy amin’ny Fokontany 138.

 Nambaran’Atoa Mahavimbina Alain, filoham-boninahitra, fa «tsy tara izao fanampiana izao, satria mbola hita ihany ny fahasahiranan’ny fiakaviana maro amin’ny fampianarana ny zanany”. Nambarany fa fa mbola ho avy koa ny fanadiovana ny tanàna. Nohararaotin’ny mpanao gazety ny nanontany an’i Alain Mahavimbina manoloana ny fanakinana sy ny hoe fanalan’ny hetsika “Tsy misy miala aketo niany” azy anio alatsinainy fa hoe sady tsy mahavita ny andraikiny no tsy mitsinjo ny zanak’i Toamasina. Nambarany fa «anjaran’ny fampanoavana no miaro ny maha-olom-panjakana ahy amin’ny fanokafana fanadihadiana mikasika ny fanohintohinana ny solontenam-panjakana sy ny fanalam-baraka azy ary ny filazana vaovao tsy marina momba ny olom-panjakana. Afaka manadihady ahy koa ireo hahalalana ny tena marina rehetra, ary tsy misy ny atahorako amin’izany». Nambarany fa dia tsy hitory izy raha tsy mitombina ny fanakianana sy ny resaka atao momba azy, satria mahatsiaro ho afa-baraka. 

 
Rakoutou
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libĂ©ration
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT