Politique

Alain Mahavimbina Ho kandidam-panjakana …


  • Alakamisy 30 Desambra 2010

Niova filamatra i Alain Mahavimbina, lehiben’ny Faritra Atsinanana tamin’ny fanaovana tatitry ny asa vitany sy ny ekipany tamin’ity taona 2010 ity.

Famaliana ny fanontanian’ny mpanao gazety izay tonga maro tao amin’ny trano fiasany no nanaovany ny tatitra, ka nilazany fa «tratra 100% ny tanjona nofaritan’ny faritra Atsinanana hatramin’ny nanendrena azy ho lehiben’ny faritra ny volana jona 2009 izay niompana tamin’ny lafiny ara-tsosialy sy ara-toekarena. Nosinganiny tamin’izany ny fahavitan’ny boulevard Augagneur, ny fanomezana dabilio ny lycée J. Rabemananjara, ny fampitaovana ny hopitaly ben’i Toamasina izay samy nifanohanana tamin’ireo mpandraharaha sy ny faritra avokoa.

Voaresaka tamin’izany koa ny fifidianana ho avy ka nilazany fa «mbola lehiben’ny Faritra aloha aho hatreto, nefa olom-pirenena ihany koa, raha hitan’ny fanjakana fa ilaina ny firotsahako solombavambahoaka dia tsy hitako ny olana. Ireo mpiara-miasa amiko koa manan-jo hilatsaka raha tiany, fa tsy maintsy hajaina ny lalàna ka mametra-pialana aorian’ny filatsahan-kofidiana ataony». Ankoatra izay, dia nambaran’i Alain Mahavimbina ihany koa fa tontosa avokoa ny fampanantenana nataon’ny filohan’ny FAT tao Toamasina, toy ny fanarenana ny lapan’ny Tanàna, ny fanokafana ny Tsena Mora. Tsy nasiany teny kosa ireo fampanantenana hafa dia ny fametrahana ny hopitaly vaovao eo amin’ny tokotanin’ny Magro Morafeno sy ny kianja manara-penitra eny amin’ny Stadium izay nomena fe-potoana herinandro taorian’ny 13 novambra nandalovan’i Andry Rajoelina, filohan’ny FAT tao Toamasina, ny fanombohana ny asa. 

Rakoutou
 
Sary : Alain Mahavimbina, lehiben’ny Faritra Atsinanana
 
Manomboka anio 30 desambra ny fetin’ny faran’ny taona ho an’i Toamasina, izay sady famaranana ny fankalazana ny faha-50 taonan’ny fahaleovan-tena ihany koa amin’ny fitokanana tsangam-bato eo amin’ny araben’ny fahaleovan-tena.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

Hijery ny tohiny
FTT