Politique

Alain Andriamiseza “Tsy matoky ny rafitra misy intsony ny vahoaka”


  • Zoma 18 Desambra 2020

Raha natao hanaovana halako bika tsy tiako tarehy na valifaty politika fotsiny ny

 

 

rafitra misy amin’izao fotoana izao dia tsy mankasitraka izany izahay, hoy ny mpanao politika, Alain Andriamiseza. Tsy ekenay rahateo koa ny lalampanorenana. Efa hainay ny zavatra ataon’ny HCC. Sarotra ny hanome fahatokisana sy fifampitokisana ny rafitra misy eto amin’ny firenena ankehitriny. Ny vahoaka iray manontolo mihitsy fa tsy ny mpanohitra ihany no mametraka izay ahiahy izay. Efa tsy matoky ny rafitra misy intsony ny vahoaka Malagasy. Sady tsy nifanaraka ny lalampanorenana no tsy nifanaraka amin’ny soatoavina Malagasy ny fifidianana vita teo ary izany no tsy nanekenay azy. Efa mazava ny anay hoe lalampanorenana mifanahatsahana amin’ny hetahetam-bahoaka sy mitondra filaminana eto amin’ny firenena no tadiavinay.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT