Politique

Alain Andriamiseza “Tsy hijanonana izahay na hosakanana in-jato aza”


  • Alatsinainy 25 Jolay 2022

Na teo aza ny fanakanana ny famoriam-bahoakan’ny TIM tao amin’ny Magro Behoririka ny sabotsy teo, narahina fisamborana, dia milaza tsy hihemotra amin’ny ramatahora miseho ny mpanohitra.

Tsy ekena intsony io governemanta io, tsy hijanonana izahay na hosokanana im-polo in-jato aza. Izahay efa nilaza hoe alefaso ny fifampidinihana fa izao ve ny fifampidinihana. Tsy hijanona intsony ny hetsika, betsaka ny azo atao”, hoy ny Filoha lefitry ny RMDM Alain Andriamiseza. “Harahinay isan’andro isan’andro io. Hanomana izahay, hotohananay ny hevitry ry Rahckiky na ry Paolo mitaky ny hisian’ny fahalalahana maneho hevitra sy ny demokrasia eto Madagasikara. Tahaka izany ihany koa ny volamena 36kg very, afaka mitory, hitory izahay, handeha ho any amin’ny tribonaly indray,..”, hoy hatrany izy. Ankoatra ny fanitsakitsahana ny demokrasia, tondroin’ny mpanohitra ho tsy mahay mitantana, indrindra fa ny volam-panjakana sy ny fanampiana iraisam-pirenena ny mpitondra. Niantso ny sehatra iraisam-pirenena tsy hanome vola izao mpitondra izao ihany koa ny mpitarika ny RMDM satria tsy misy zava-bitany, hoy izy ireo. Ho hitantsika eo, raha izao no fihetsiny, tsy mendrika ny homena vola intsony ireo. Paosy graobaka izao ny mahazo ny vahoaka, fahantrana, tsy misy zavatra azo leferina”, hoy hatrany i Alain Andriamiseza.

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT