Politique

Alain Andriamiseza Niverina tao an-tranon’i Dada


  • Alarobia 29 Desambra 2010

Niseho vahoaka teny amin’ny kianjan’ny demokrasia Ambohijatovo ny sabotsy 21 martsa 2009, fa hoe hamerina ny ara-dalŕna.

Nitsoaka an-daharana teny amin’ny Magro Ankorondrano ny 26 jona 2009, rehefa nanao eson-teny tamin’ireo mpomba ny ara-dalàna fa “tsy misy Dadanareo miverina izany eo”. 28 desambra 2010, niverina tao an-tranon’i Dada ao Bel’Air i Alain Andriamiseza omaly. Toerana efa nahazatra azy io herintaona lasa izay, saingy nisy moa ny fahamehany tamin’ny seza, ka niheverany fa ao anatiny indray manao politika dia kenda irery tao izy ary naloan’ny FAT aza no niafarany. Tsy nandeha irery i Alain  Andriamiseza tamin’io omaly io fa nitondra namana avy ao amin’ny ESCOPOL, fa izay indray mantsy no sehatra nieren’ingahy ministra rehefa voatsoka teo anivon’ny governemanta. Ny hifampidinika amin’ireo akama taloha, legalista, akanga sisa nanamboarana ao amin’ny Tiako I Madagasikara izy ireo, amin’ity tetezamita marina ity. Anatin’ny firesahana ny fananganana ireo rafitr’izany tetezamita iarahana izany rahateo ny tontolo politika Malagasy amin’izao fotoana, ka izany no mampisy izay fifanatonana izao.

Toa kiafinafina izy ity teo aloha teo, fa dia niharihary izany ny fisiany ankehitriny. Samy milaza ny tsy mandà fifampiresahana rahateo ny rehetra, na nilaza ny nihaino ny fahitan’ireto ESCOPOL ireto ny fahitany ny toe-draharaha aza ny Tiako I Madagasikara, izay notarihin’i Mamy Rakotoarivelo, Sekretera jeneralin’ny antoko notronina mpikambana ao amin’ny birao politika sy mpikambana tsotra hafa, io omaly io. Hatreto aloha dia mbola raharahan’ny Tiako I Madagasikara sy ny ESCOPOL ity satria ny UDEMPRO, misy ny MFM, TEZA, Madagasikara Firaisankina, AMF/3FM, izay miara-mandrafitra ny Ankolafy Ravalomanana amin’ny TIM tsy tazana tao Bel’Air. Fiaraha-mitantana rahateo no ifamatoran’izy ireo, ka mety tsy mbola feo iraisana ity omaly ity. Nilaza ny mbola hanangana komity rahateo ireto roa tonta, dia ny TIM sy ny ESCOPOL, nihaona tao Bel’air ireto ka ho hita eo ny tohiny.

Na izany aza ny fidodododoan’ny ESCOPOL any amin’ny Foiben’ny TIM dia midika fa sempotra ny fitondrana, satria saika mpikambana ao anatin’ireo andrim-panjakana najoron’ny FAT samirery ny ao anatin’ny ESCOPOL, ka dia mila vonjy. Mbola porofo koa io fa tsy nahavaha olana ny TIM elatra Raharinaivo izay efa nanara-dia ny ESCOPOL niditra anaty rafitra misy izao, fa hafa ihany ny TIM orizinaly. Miharihary eto koa fa dia mbola any amin’ny Ankolafy Ravalomanana ny lakile amin’ny vahaolana hivoahana amin’izao krizy izao. Iny fihaonana omaly iny koa no milaza fa nodinganina ny fiziriziriana teo amin’ny andiny sy ankilany avy. Ny fanontaniana mipetraka eto anefa na izany aza dia ny hoe ankitsipo sa mbola tsapatsapa indray ny fihaonana ? Mankany amin’ny tombontsoam-pirenena sy ny vahoaka maro an’isa sa mbola kajikajy indray ? Hampiray sa vao mainka hampisaratsaraka ny samy Ankolafy indray ? Ny ampitso no hamaly izany …

 
Jean D.
 
Sary : Ireo mpitarika ny Tiako I Madagasikara nandray ny delegasion’ny ESCOPOL tao Bel’Air, misy ny foiben-toeran’ny antoko

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso lĂ lam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT