Anisan’ireo nanana solontena nihaona tamin’ireo delegasion’ny SADC mandalo eto amintsika ny Ankolafy Telo, ao anatin’izany ny ankolafy Ravalomanana.
Araka ny fanazavan’ny Jeanson, avy amin’ny UdemPro dia fangatahana natao ny tokony hanaovana ny fihaonan’ireo lehiben’ny ankolafy (Didier Ratsiraka, Zafy Albert ary Marc Ravalomanana) eto Antananarivo. Manoloana ny filazana fa misy olom-boafidy vahiny nilaza ho afa-po tamin’iny referandaoma iny dia fanontaniana no napetrak’i Jeanson hoe raha nety tokoa iny referandaoma iny, nahoana no tsy nirosoana ny fifidianana Ben’ny tanàna ? Raha ny fahitan’ny solontean’ny ankolafy Ravalomanana azy dia mihevitra ny Malagasy sy izao tontolo izao ho bado izany “vahiny” izany, indrindra fa ny masoivoho frantsay eto amintsika.
Tetsy andanin’izany dia nahitsy ny tenin’ny Dr Julien raha nilaza fa efa roa taona izao no nifandinihana tamin’i Andry Rajoelina ka tsy ilaina intsony izy satria tsy nisy vokany izany. “Tsy hanongam-panjakana isika fa haka fanjakana”, hoy ihany ity solontenan’ny ankolafy Zafy Albert ity. Nambarany koa moa fa misy jeneraly misoloky ny andraikitry ny CRN. Ankoatra izay dia nambaran’ny depioten’i Brickaville, Leriva Manahirana fa rehefa tsy nanaiky lembenana ny mpitarika ny ara-dalàna dia ezahin’ny hafa ny mampiady azy amin’ny ankolafy roa hafa. Nankahery ireo mpiara-dia aminy koa ity olom-boafidy ity manoloana ny tolona hizoran’izy ireo. “Aoka isika tsy handairan’ny tsaho”, hoy ihany i Leriva Manahirana. Voaresaka teny amin’ny “Villa Elisabeth” koa moa ny resabe momba ny hoe hala-jaza teny Ambohimanarina izay heverin’ny Ankolafy Telo fa karazana fandrebirebena saim-bahoaka ihany mialoha ny filazana ny vokatry ny referandaoma ireny tranga ireny satria matoa tsy voasambotra ny olona nanao izany dia misy ambadika.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.