Politique

“Air Fore One II” Fananam-panjakana iny sa fananan-dRavalomanana ?


  • Alatsinainy 26 Novambra 2012

Niditra mivantana tamin’ny antso an-telefaonina tao amin’ny Magro Tanambao V Atoa Marc Ravalomanana ny sabotsy tolakandro teo, nanentana sy nankahery ireo mpiara-dia aminy sy ny vahoaka Malagasy.

 Nasiany resaka nandritra io fotoana io ny nanaovan’ny FAT varoboba ny “Air Fore One II”, ilay fiaramanidin’ny Repoblika Malagasy fitondrana ny filoham-pirenena amin’ny iraka tanterahiny iny, izay nametrahany fanontaniana hoe : “fa nahoana no namidy variboba toy ireny ny fananam-panjakana ? Fananam-bahoaka iny ary volam-bahoaka no nividianana azy, ka tsy azo ekena izany fanaovana tantely afa-drakotra ny volam-bahoaka izany”. Nohamafisin’ny CST Rasamimaka Mahefalahy ny voalazany, ka nisarihan’ity farany ny sain’ny rehetra hoe : “hay moa ka ny fanjakana ihany no tompon’ilay Air Force One II iny ? Nahoana àry no namoahana didy tsy natrehiny akory ny filoha Ravalomanana, izay nomelohana am-ponja an-terivozona raha nividy azy iny. Raha ny lalàna no arahana, hoy i Me Rasamimaka dia efa an’Atoa Ravalomanana izany iny fiaramanidiny satria nanagadrana azy, koa nahoana no sahy nivarotra azy iny ny fanjakana”. Nomarihin’ny Me Rasamimaka koa fa tsy hita ao anatin’ny tetibola 2013 ny vidin’io fiaramanidina io, nefa nolazaina fa nananganana vaomiera manokana izay tsy hita koa ny didim-panjakana na didim-pitondrana nananganana izany. Toy zany koa ny volan’ny orinasa sinoa Wisco. Izay no isany antony nahatonga ny CT sy ny CST ankolafy Ravalomanana tsy nandany iny tetibola iny”.

Mikasika ny raharaham-pirenena ankapobeny, dia nanome toromarika ireo mpiara-dia amin’ny ny filoha Marc Ravalomanana, mba tsy hiroaroa saina amin’ireo lainga iniana afafy eto Madagasikara ! “Ho avy tsy ho ela ny fiarahantsika hampandroso indray ny firenena. Tsy ho ela intsony ny fiverenako an-tanindrazana. Efa eo ampikarakaraka izany izahay aty miaraka amin’ny SADC sy ny firaisam-be iraisam-pirenena”, hoy izy. Namafisiny fa “mahafantatra tsara ny tena marina sy ireo tena rangory fototry ny afo nahatonga ny fahorim-bahoaka izao tontolo izao. Efa mahalala koa izy ireo hoe iza no tena tsy tia tanindrazana ka manao izay hampikatsoana ny famahana ny krizy aty Madagasikara. Tsy misy marina tsy hivoaka anefa, satria mpino isika ary efa nanankina ny tolona amin’ny finoana ihany koa”.

Ireo CT sy ny mpitarika ny antoko sy fikambanana maro ao anatin’ny ankolafy Ravalomanana Toamasina kosa, dia samy nanamarika fa mitohy ny tolona mandram-piverin’ny filoha Marc Ravalomanana an-tanindrazana, araka ny voalazan’ny tontozotra mibaiko ny famahana ny krizy ary afaka mirotsaka ho fidiana.

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libĂ©ration
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT