Mifamahofaho sy misafotofoto be ihany ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny ka zary miantraika hatrany amin’ny raharahan’antoko politika isan-karazany mihitsy ny fiantraikany.
Raha ny teo anivon’ny antoko Tiako I Madagasikara no niharan’ny fisamatsamahana tao anatin’izay telo taonan’ny tetezamita izay dia miala any koa ny disadisa eo anivon’ny antoko vaovaon’ny fitondrana, ny Tanora malaGasy Vonona (TGV). Fantatra izao, araka ny fampitany vaovao tamin’ny mpanao gazety, fa nametra-pialana tsy ho mpikambana TGV intsony Atoa Ahmed Mohammed Ael izay “Chef de département TGV Diégo II” izay anisan’ny tena fototry ny fahombiazan’ny tolona tany Antsiranana tamin’ny fotoan’androny.
Efa tany amin’ny fanendrena ny Lehiben’ny Faritra Bezara Romuald teo amin’ny toerany no nanomboka ny disadisan’ity mpanao politika ity sy ny antoko nisy azy ka izao niafara tamin’ny fisarahana izao mihitsy. Tsy lanin’ny vavonin’ity mpanao politika ity, raha ny nambarany ny fanilikilihana ireo tena nitolona an-kianja tamin’ireny 2009 ireny, anisan’izany izao mahazo ny CST Alain Ramaroson izao, ka dia naleony nisintaka dieny mialoha sao tratran’ny patsa iray tsy omby vava eo koa.
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.