Politique

Afera Thierry Rakotonarivo Natsipin’ny HCC any amin’ny CENI ny baolina


  • Alarobia 11 Martsa 2020

Nivoaka omaly ny hevitry ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana (HCC) laharana 03-HCC/AR momba ny raharaha fanonganana ny Filoha lefitry ny CENI Thierry Rakotonarivo. Azo raisina ny fitoriana nataon’ny Filohan’ny CENI, hoy ny HCC.

 

 

 

Na izany aza dia toa voakihana ny CENI satria mzava ny fitsipika anatin’io vaomiera io. Nodinganin'ny Filohan'ny CENI Atoa Hery Rakotomanana ny andininy faha 87 ka hatramin'ny 90, ao amin'ny fitsipika anatin'ny CENI, amin'ny fombafomba fanesorana mpikambana iray. Hajao ny dingana voasoritry ny fitsipika anatin'ny CENI, toy ny fampiharina ny andininy faha-88 amin’ny lalàna 2015-020, dia fananganana ny “Comité ad’hoc” hanao fanadihadiana ity dosie ity, hoy ny HCC.

10 andro hiarovan-tena

Manana 10 andro i Thierry Rakotonarivo hanazavany sy hiarovany tena amin’ny raharaha fanonganana azy, araka ny andininy faha-89 amin’ny lalàna 2015-020 mifehy ny CENI. Na ny tenany na ny mpisolovava azy, na izy afaka hatrehina olona iray nosafidiany manokana no miatrika an’izay. Karazan'ny manipy baolina any amin'ny mpikamban'ny CENI foibe ihany ny HCC, ka amin’ny alalan’ny fampiharana ny fitsipika anatiny no hanatanterahana ny fanonganana an’i Thierry Rakotonarivo. Ambaran’ny lalàna mifehy ny CENI fa "Raha sendra misy fahadisoana lehibe ataon'ny mpikambana maharitra, ny Vaomieram-pirenena mahaleo tena misahana ny fifidianana, izay manamarina ny zava-misy dia afaka mandray fepetra mety amin’ny rehetra manoloana izany, ary mandeha hatrany amin’ny amin'ny Fitsarana Avo momba ny lalàmpanorenana mangataka fanonganana, tsy misy fitsarana an-tendrony amin'ny raharaha heloka bevava. "Ankoatry ny raharaha voafaritry ny fepetra faha-28 sy ny fialana an-tsitrapo, ireo mpikambana maharitry ny Vaomieram-pirenena mahaleo tena misahana ny fifidianana dia tsy afaka miala amin'ny asa raha tsy aorian'ny dingana ny fandroahana natolotry ny Birao maharitra ao amin'ny Vaomiera any amin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana araka ny andininy faha-29, ka azo ekena izany ny fangatahan'ny filohan'ny CENI, hoy ny HCC. Nisy ny loharanom-baovao milaza fa efa tsy matory any amin’ny trano fonenany intsony noho ny tahotra fisamborana i Thierry Rakotonarivo. Tsy Filoha lefitra intsony izany ny tenany. Hampilamina ny CENI sy hampiverina ny fitokisana io rafitra io ve izany ? Tsy mbola nandiso velively ny zavatra nambarany ny CENI hatramin’izao, ary tsy namoaka hoe ireto ary ny zavatra tena marina. Lasa miteraka adihevitra etsy sy eroa ihany koa ny hoe mahavoasazy ve izany ny milaza ny marina eto Madagasikara ?

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT