Politique

Afera sy ala-bala no betsaka Mbola misy Fanjakana ve eto ?


  • Alatsinainy 18 Jolay 2022

Mametra-panontaniana aminareo aho androany hoe: Mbola misy Fanjakana ve eto ? Misy fandriampahalemana ve eto ? Mahafa-po ve ny Jirama ?

Ampy ve ny sakafon’ny Malagasy ? Misy ve ny fahamarinana eo amin’ny fitantanana ny asam-panjakana ? Fanontaniana napetrak'Atoa Andry Rajoelina tetsy amin'ny Lapan'ny Fanatanjahantena Mahamasina ireo ny 01 aogositra 2018, efatra taona lasa izay. Afaka mandinin-tena sy mamaly ireo fanontaniany ireo ve izy sy ekipany ankehitriny ? Tahaka ny tany tsy misy Fanjakana eto, ambony Ambany ny fitantanana, manjaka ny afera maloto, rakotra olana ny sehatra maro, miha mitombo ny olana sy fahasahiranam-bahoaka. Ny orinasam-panjakana banky ropitra sy mitsipozipozy noho ny fitantanana tsy manjary. Ahiana CNaPS ho banky ropitra noho ny heverina fa fisiana fandrobana na fanodinkodinana ny volan'ny vahoaka madinika, latsakemboka an-taonany maro ratsy tantana. Mbola misy vola azo antenaina ao sa fongana na hiviny sisa? Io miparitaka io ny vaovao milaza fa taorian'ny famoahana ny Tale Jeneraly izay naiditra am-ponja vonjimaika na tsy mbola voatsara aza dia efa nalefa nitsoaka any ivelany. Inona no nampitsoahana azy raha tena nadio ny fitantanana ? Io fa vitavita ho azy ihany koa ny raharaha Air Madagascar sy Madagascar Airlines taorian'ny fifandirana teo amin'ny Minisitry ny fitaterana sy ny Filoha lefitry ny filankevi-pitantanana Rtoa Rinah Rakotomanga. Banky ropitra ny Air Madagascar ary ny 5 tapitrisa dolara voalaza fa hanarenana fiaramanidina A340 roa aza voalaza fa nanjavona. Tsisy tohiny, fa dia tahaka ny tany tsy misy Fanjakana. Ny volamena 36 kg tany amin'ny minisitera nanjavona misolo korotam-by. Fanambarana bontolo milaza fa tamin'ny Fanjakana teo aloha no nanjavonany, kanefa ny taratasy ara-panjakana miendrika porofo milaza fa teo anelanelan'ny 2019-2022 no mety nisehoan'ny afera. Olona ao anaty governemanta no isan'ny voatonontonona saingy hodiana adala eo. Mbola tany misy Fanjakana ve izany? Ny orinasa jirama mampijaly vahoaka, delestazy mandavan-taona tsy voavaha. Sasatry mitady izay hanilihana, ka iny nambara iny indray fa 310 miliara ny fitambaran'ny faktiora tsy voaloa sy ny halatra herinaratra ataon'ny 30% amin'ny mpanjifa. Ny aferam-pitantanana maloto anefa hodiana adala: solika an'aliny litatra manjavona, vola amina miliara lany amin'ny fandaniana hafahafa,... Ny volan’ny orinasa mpanao làlana toa nanjavona niaraka tamin’ny fanovana ny FER (Fonds d’Entretiens Routiers) novaina ho FR (Fonds Routiers)? Ara-politika moa dia iny niseho tany Mandoto iny hoe: ao anaty lanonana ara-panjakana no ampiasana ny Komity mpanohana ilay Filoha tamin’ny fifidianana, ary efa endrika propagandy. Ny lalàmpanorenana izao no milaza fa tsy tokony hiandany ny fitantanan-draharaham-panjakana.
MPAMAHA OLANA SA …?
Ireny eo ihany, fa ny olam-bahoaka ihany koa dia maneho io endrika tahaka ny tany tsy misy Fanjakana io. Ny Filoham-pirenena izao no manapaka sy milaza fa 600Ar ny saran-dàlana, saingy io iaraha-mahalala io ny zava-miseho fa samy manao izay tiany. Ilay Fanjakana natao handamina sy handrindra toa lasa nampisavorovoro. Ny resaka fifehezana ny vidim-piainana tsy mandeha amin’izay laoniny, tahaka ny kamboty tsy misy mpiahy ny vahoaka. Fialana bala sy fanamarinan-tena ary fitadiavana izay azo hanilihana ny rihitra no betsaka, ary mbola hoentina any amin’ny adihevitra mirefarefa amin’ny tany hoe : raha ny mpanohitra no teo dia izao sy izao, tamin-dRakototo sy Rabe nitondra tahaka izao sy izao,… Aiza ilay hoe : izahay aloha izao no eto ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

Hijery ny tohiny
FTT