Politique

Afera maloto tao amin’ny Airmad Nampanginina noho ny tombotsoa politika ?


  • Alatsinainy 20 Jona 2022

Nangina tsy nandresana tohiny firy intsony indray ilay raharaha Air Madagascar nampifanjinja ny Minisitry ny fitaterana Atoa Roland Ranjatoelina sy ny Filohan’ny Filankevi-pitantanana lefitr’io Kaompania io izay novonoina sy

navadika ho Madagascar Airlines, izay tsy iza fa Rtoa Rinah Rakotomanga. Nesorin’ny minisitra ity farany sy ny Filohan’ny Filankevi-pitantanana saingy nidingin-drambo tsy nanaiky lembenana. Nolazaina fa hakatony avy hatrany ny biraon’ny Madagacar Airlines, saingy hatramin’izao toa tsy nisy an’izany. Nolazainy mihitsy fa hiady amin’ny tontakely izy ary halefa any amin’ny fitsarana ny raharaha famotehana sy fanaovana tantely afa-drakotra ny kaompania Air Madagascar izay nambarany fa tsy maintsy haverina ary tsy manan-kery sy tsy ara-dalàna izany Madagascar Airlines izany. Manampy trotraka izany, tao anatin’ny fanarenana dia nisy volabe 5 tapitrisa dolara hoe: hanamboarana ireo fiaramanidina Airbus A340 an’ny Air Madagascar saingy tsy mazava no niafarany. Tsiahivina hatrany fa ny Minisitry ny fitaterana teo aloha Tinoka Roberto dia nilaza ny 10 novambra 2021 momba io fahazoana 5 tapitrisa dolara io, ka naneho fa afaka 4 volana dia afaka hiasa ireo fiaramanidina roa. Ny 3 volana hanamboarana azy, ary ny 1 volana hizaran’ireo mpanamory sy ekipazy hiasa ao amin’ny fiaramanidina, hoy izy tamin’izany. Nankaiza no niafarany? Inona no tohiny? Ny minisitra izao no nilaza fa mahalala ny teti-dratsy samihafa nokasain-dRtoa Rinah Rakotomanga sy Atoa Mamy Rakotondraibe, ary nanambara tsy nisy fihambahambahana fa tsy maintsy hofongoriny ny tontakely ka na hoesorina ao anatin’ny governemanta aza tsy mampaninona azy. Toa nalamindamina sy nampanginina anefa ny raharaha. Napetraka ho ambony ny tombotsoa politika ka nampatoriana ny afera maloto natsikafona teny amin’ny haino aman-jery? Mbola misy fanjakana tsara tantana azo antenaina ihany ve eto ?
Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT