Somary tsy ampy angamba ny fanazavana. Ny tanjona dia hanentana ny olona hanamarina sao tafiditra ao anatin’izay.
Mivadika zavatra hafa, havadika hoentina manakorontana saim-bahoaka, hoy Atoa Thierry Rakotonarivo filoha lefitry ny CENI tamina onjam-peo iray omaly. Tsy hoe akory olona iray manana kara-panondrom-pirenena roa na telo, izay afaka ny hanao “vote multiple” izay tsy ara-dalàna. Olona roa na telo manana kara-panondrom-pirenena samihafa, fa ny laharana no mitovy, ary kara-panondro ara-dalàna ireo fa tsy hoe fosika, hoy izy. Tsy mitarika fitomboana na fihenan’ny isan’ny mpifidy. Ny nantsoina hoe “doublons” dia raha nitovy anarana sy kara-panondrom-pirenena, ka izay ilay 5 hetsy. Io 5 hetsy io ilay laharana mitovy, izay mety ho misy roa na telo no mitovy. Tsy midika io, fa mihena na mitombo ny isan’ny mpifidy. Tsy midika ihany koa hoe tsy afaka nifidy na nifidy olona mitovy ny mitovy laharan-kara-panondro. Mety niainga avy tany amin’ny tompon’andraikitra mpanome ny laharan’ny kara-panondro. Zavatra efa nitambatra nandritra ny 60 taona nisian’ny fitantanan-draharaham-panjakana. Tamin’ny zavatra tsotra fa tsy nomerika ny fitahirizana ny laharana, ka mety avy tamin’izany no nisian’ny fitoviana. Mety avy tao amin’ny fokontany tamin’ny fanavaozana ny lisi-pifidianana. Olombelona ihany koa ny tompon’andraikitra manoratra azy. Raha 003 ohatra ny farany mety ho lasa 008 satria variana ny tompon’andraikitra, hoy ny fanazavana. Ny miverin-droa, dia tsy afaka mifidy in-droa na in-telo. Efa nisy ny “audit” nataonay nilazanay fa nisy ny “doublons”, misy ny zaza tsy ampy taona … Tsy afaka nifidy ireny, raha ny nambaran’Atoa Thierry Rakotonarivo. Niaiky izy fa halatra ny zaza tsy ampy taona nasaina nifidy toy ny tany Tsihombe, fa kosa anjaran’ny fitsarana, anjaran’ny voakasika ny nametraka fitoriana na tany amin’ny CENI na tany amin’ny fitsarana. Azo raisina fa tsy nitombina moa no valin’ny raharaha mikasika ireny, ary tsy nisy fiantraikany tany amin’ny valim-pifidianana. Azon’ny CENI tsy natao ny niteny an’izany, fa mba hisian’ny fiaraha-mientana sy fanitsiana no nilazana azy. Mampalahelo ny fandikan’ny olona sasany ny zavatra izay atao. Ao anatin’ny fanavaozana ny lisitra ny CENI, izay mametraka ho zava-dehibe ny fanitsiana sy fanadiovana mba tsy ho any amin’ny 2023 vao hikoropaka. Ny zavatra nambaran’ny CENI hatramin’izay dia tsy misy fifidianana lavorary sy lisi-pifidianana tena tonga lafatra. Matetika misy ny indro kely, ary io tsy vita indray andro, hoy i Thierry Rakotonarivo. Efa tamin’ny tetezamita no nisy ny CENI-T, lasa CENI, ka efa ho am-polony taona no teo saingy miharatsy fa tsy mihatsara ny fifidianana eto. Inona no tsy naneken’ny CENI fampitahana lisi-pifidianana voasonia ? Mbola tena ilaina ve ny CENI ? Mbola ilaina ve ny kara-pifidianana ? Mbola lavitr’ezaka ve ny fifidianana miainga amin’ny elektronika eto ? Tsy maintsy ilana volaben’ny mpamatsy vola ve ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.