Politique

Ady an-tranon’ny mpitondra Voaozongozona hatramin’ny tarehimarika 13


  • Zoma 17 Septambra 2021

Hatramin’ny 15 aogositra teo ka hatramin’izao, izany hoe, 1 volana sy 2 andro taty aoriana dia tsy nitsahatra nivoaka ny dosie mikasika ireo mpikambana vaovao eo anivon’ny governemanta sy olona ambon

y maro miaradia na ao anaty fitondrana mihitsy. Tao ny voalaza ho nanana raharaha fisolokiana avo lenta, ny efa niray petsapetsa tanatina fitantanana kolikoly toy ny voalaza momba ny minisitry ny toekarena sy ny vola, ohatra. Tsy ireo tena vaovao ara-bakiteny ihany anefa fa ny efa teo koa aza dia io mbola iarahantsika mahita tao anaty herinandro maro io fa voatsikera ho nanana fitondrana tsy mendrika teo anivon’ny tokantranony. Iny indray izao omaly nisy tomponandraikitra vaovao voatendry dia efa nivoaka sahady ny dosie fa olona namoahana fikarohana noho ny fiahiahiana azy ho nanao heloka teto amin’ny tany sy ny firenena. Ny mpamakafaka raharaham-pirenena, Manandafy Mahery Lanto, moa efa ela no nilaza ary mbola manamafy fa olona ao anaty fitondrana ihany no mamoaka ireny rehetra ireny. Nahatsikaiky ny maro kosa no nandre farany teo fa ny mpanohitra ny fitondrana no ao ambadiky ny famoahana ireo dosie sasany toy ny mahakasika ny minisitry ny serasera sy kolontsaina, Lalatiana Rakotondrazafy Andriatongarivo, mivady. Hatramin’izay heverina ho tarehimarika manambina izao fitondrana izao aza voahozongozona manoloana izao ady an-tranon’ny mpitondra izao. Raha ny Korintianina 13:13 ao anaty baiboly izay misy ilay teny hoe “Ny fitiavana no lehibe indrindra.” no nolazaina fa nanambina hatrany amin’ny propagandin’ny filoham-pirenena ankehitriny ka hatramin’izao dia apoitran’ny olona koa ankehitriny fa misy ilay teny hoe “Ary ny mponina tao Sodoma dia tena ratsy fanahy sady mpanota indrindra tamin’I Jehovah” ao amin’ny Genesisy 13:13 ao. Ny Genesisy izay boky voalohany ao anaty baiboly mihitsy ary dia voaozongozona koa, araka izany, hatramin’ny isa 13.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT