Mangotrangotraka ny toe-draharaha politika anatin’ny fitondrana Rajoelina Rajoelina. Misy ny efa vaky am-batolampy, ary misy ny hita taratra amin’ny fihetsiky ny tsirairay.
Ny samy solombambahoaka mifampiaro amin’ny raharaha fizaram-paritra, ary misy ny milaza fa mampijabaka ny Filoha ny olom-boafidy sasany mandrisika azy, toy ny raharaha Ikongo. Ny olom-boatendry ao an-dapa, izay mety akaiky kokoa an’i Andry Rajoelina nifampitandroka sy nandrahona tamin’ny alalan’ny fifampiresahana amin’ny tambajotran-tserasera ny mety hanonganana ny Depiote Brunelle Razafitsiandraofa tsy ho Filoha Lefitry ny antenimieram-pirenena, ary manilika azy tsy hijanona ao anaty MAPAR. Ireo solombavambahoaka IRD sasany, toa an-dry Rossy anefa efa namoaka vava fa manohana an’I Brunelle, ary izy ireo no nifofotra sy nively vy tamin’ny alalan’ny depiote 73 nitarika tamin’ny fipetrahan’izao Fanjakana Rajoelina izao. Samy te ho “rôle” sy samy tompon’ny lakile, hany ka misavoritaka ny samy mpitondra. Iny efa niaraha-naheno iny ihany koa ny Fanambaran’ny Minisitry ny asa vaventy sy fanajariana ny tany Hajo Andrianainarivelo, fa tsy misy ampihorohoroin’ny olom-boatendry misekoseko eo akaikin’ny filoha eto, ka tsy ny olom-boafidy indray no ahilikilika.
VOATSINDRY NY GOVERNEMANTA…
Ny solombavambahoaka IRD no manenjika sy mitandroka ny governemanta, toy ilay resaka nandeha fa misy ny fanangonan-tsonia hanonganana ny Minisitry ny vola sy ny tetibola. Tany aloha dia ny Praiminisitra Ntsay Christian no ratsiratsy toerana tamin’ny depiote. Mangina tanteraka sy tsy re feo mihitsy ity farany, izay misy dikany betsaka ara-politika. Nandeha ny fanambaran-dRtoa Christine Razanamahasoa talata 10 novambra, fa tsy ampy ny 7 miliara ariary ny 52 miliara ariary ny volan’ny antenimieram-pirenena. Ny ampitson’iny ihany dia nikorapaka ny Fanjakana namoaka tao anatin’ny Filankevitry ny Minisitra ny fandoavana izany mba hampangatsiahana ny toe-draharaha. Nitsotra ny Minisitry ny Fitantanam-bola ny alakamisy teo fa misy te hanongana azy. Mety hifiritika any amin’ny governemanta amin’ny alalan’ny fitsipaham-pitokisana io. Tsiahivina fa nisy ny hafatra nataon-dRtoa Christine Razanamahasoa miantefa amin’ny Filoha sy ny Praiminisitra tamin’ny famaranana ny fivorian’ny Parlemanta nialohan’izao amin’ny hoe: “fitia mifamaly fitia”, ka tokony hojerena ny fitaovana (Fiara tsy mataho-dàlana) ho an’ny depiote, izay mety mbola fitakiana sy vary mangatsiaka.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.