Mitaky sy miantso ny hananganana ny filankevi-pirenena momba ny ady amin’ny valanaretina coronavirus ny Rodoben’ny Mpanohitra RMDM,
araka ny fanambarana nataon’izy ireo tetsy Bel’Air Omaly 06 aprily. Tokony hatsangana ny Filankevi-pirenena hiadiana amin’ny coronavirus satria tsy adidin’ny Fanjakana irery intsony, ary efa tsy voavahany samirery, hoy ny mpanohitra. Ny kabarin’ny Filoham-pirenena ny sabotsy 03 aprily, dia manaporofo fa very hevitra ny fitondrana, ary tsy manana hevitra haroso ahafahana miady amin’ny coronavirus, hoy ny RMDM tamin’ny alalan’Atoa Tabera Randriamanantsoa Minisitra teo aloha. Manolo-kevitra hiantsoana ny herivelona rehetra eto Madagasikara ny RMDM mba hiady hevitra hoe ahoana amin’ny fomba hiatrehana sy hiadiana amin’ny valanaretina, ka tsy ny Filohana andrim-panjakana samirery intsony no antsoina. Ny Hopitaly feno, ny faty mirarakopana, kanefa mpitondra tsy manana vahaolana, ka toy ny “apongaben’I Mandritsara, ny eo ihany no haverina », hoy hatrany i Tabera Randriamanantsoa. Manana hevitra ny RMDM sy ny Filohany, manana hevitra ny Firaisamonim-pirenena, ny mpikaroka, ary eo ihany koa ny mpanao politika. Tsy misy azon’ny Fitondrana atao, ary mila hery vaovao sy olona vaovao, fa indrindra hevitra vaovao, hoy ny avy amin’ny mpanohitra. Manana ny heviny ny mpikaroka Malagasy. Tokony hamondrona ireo manam-pahaizana ara-pitsaboana ny Fanjakana ary tafiditra ao anatin’izany ireo mpitsabo nentim-paharazana fa tsy izy ireo indray no henjehina toy ny natao taminny “ED1”, hoy izy ireo. Manome toky ny Malagasy ny RMDM fa miaraka na amin’ny ady amin’ny fitantanana tsy mahomby, na amin’ny ady valanaretina, araka ny fanambarany, ary nilaza fa tsy hihemotra na amin’ny mora na amin’ny sarotra. Ara-politika, dia takian’izy ireo ny famoahana ireo gadra politika.
Nandritra io fotoana io no nampahafantaran’ny RMDM tamin’ny alalan’ny Pasitera Edouard Tsarahame, fa nanokatra ny fandaharana manokana mitondra ny lohahevitra hoe: “Lasa izao”, handeha isaky ny zoma ao amin’ny Fahitalavitra sy ny onjam-peon’ny MBS. Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.