Politique

Ady amin’ny kaompanian-tsolika Hampirefotra krizy be raha tsy voalamina


  • Alatsinainy 13 Jona 2022

Mihalalina ary ahiana hivadika ho krizy goavana manampy trotraka ny efa misy ny olan’ny Fanjakana sy ny kaompanian-tsolika.

Efa miantraika any amin’ny Jirama, saingy mety any amin’ny famatsiana an’i Madagasikara mihitsy no olana. Efa nisy ny resaka nivoaka tamin’ny mety hangoronan’ny Galana entana tsy handraharaha eto Madagasikara noho ny trosa tsy voaloa, ary nisy tombin-tsolika efa nikatona mihitsy. Nifampidinika moa ireo mpitantana tobin-tsolika ka dia hotazonina ihany aloha, ary ezahina tsy hikatona indray io kaompania io. “Natao “réquisition” ny petroliers: Total, Jovena, Galana, Shell, izany hoe: nalaina tsy naloa vola ny solika fa noterena hanome . Efa mihoatra ny 1000 miliara Ar, tsy manaiky an'io sora-bola io ny fanjakana raha ny resaky ny minisitra omaly. Mihenjana ny tady. Mandrahona tsy hanafatra “tanker” mamatsy solika ny Nosy intsony ireo orinasan-tsolika”, hoy ny mpandinika mpaneho hevitra malaza iray. Nandany vola be nanaovana fampiasam-bola anefa ireo ka tsy ho hiditra fatiantoka ny nanaovany an'io. Etsy andaniny, efa tany amin’ny novambra 2019 no niketrika hanafatra solika mivantana ny Fanjakana tamin’ny alalan’ny fananganana ny orinasa SPM (State Procurement of Madagascar) fa ny vola moa tsy misy, tsisy mahatoky intsony koa satria efa malaza tsy mahaloa trosa. “Mety hisy “crise énergétique” izany eto raha tsy mahita marimaritra iraisana, araky ny fomba amam-panao moa mety ny karana sy ny frantsay indray izany atao tondro molotra. Fa ny tena mampalahelo dia tsy hijanona amin'ny orinasan-tsolika irery io zavatra io, tsy hisy sahy hampiasa vola intsony eto Madagasikara ary aman-taonany maro”, hoy ny fanehoan-kevitra. Ny fizahantany, indostria, fambolena mety ho lasibatra avokoa, izany hoe hiantraika amin’ny shatra reehtra. Ny CNaPS, Jirama, Air Madagascar moa io efa potika sy an-dalam-pahapotehana noho ny tantely afa-drakotra sy fitanana tsy manjary io. Ity olan'ny jirama noho ny fifanenjanan’ny Fanjakana amin’ny mpanatsy solika ity dia mampiseho sary ratsy amin’ny resaka fampiasam-bola eto. Raha ts voavaha amin’ny fifampidinihana, dia io izany no hanafaingana ny fihavian’ny krizy goavam-be eto, araka ny fanehoan-kevitra hatrany. Milaza ny Fanjakana fa vola 475 miliara tsy very tamin’ny Jirama, naneho fa mandeha ny « audit » fa tsy afaka handoa ny faktiora rehetra tonga eo ambony latabatra, nilaza fa efa any amin’ny fitsarana ny raharaha fanodinkodinana solika 46 000 litatra,… Ekena ny mety ho fahamarinan’izany, fa tokony halamina haingana io, amboarina ny kaonty satria ny vahoaka no mizaka ny ngidiny. Ny any Ambovombe, ohatra, noferana ny fampandehanana herinaratra satria tsy ampy na tsy misy ny solika. Tsy vao izao ny mpitondra no miezaka manilika any amin’io resaka io halatra sy faktiora tsy marina io ka inona no tsy hamoahana izay tena marina dia iadian-kevitra sy haravona? Tena afaka ny hiady amin’ireo kaompania sy manana vahaolana hafa na “plan B” ary ve ?
(Sary fanehoana)
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika sy jeopolitika
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mifaninana mafy eto i Lafrantsa sy Rosia

  • Delegasiona avy amin'ny SADC
  • Alarobia 13 Mey 2026

Nitsidika an'i Rinah sy Marie Michelle tany am-ponja

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT