Niroso tamin` ny fanentanana ny mponina any Soalala ny Birao mahaleotena misahana ny ady amin`ny kolikoly (BIANCO) sampana Mahajanga. Nitondra fanazavana ny paikady vaovao iadivana amin` ny kolikoly ny BIANCO.
Tanjona moa dia ny hampangarahara ny fandraisana sy fanaraha-maso ireo fitorohana sy fitarainana voaray eny amin` ny birao any Mahajanga. Ny fanentanana natao dia toy ny natao tamin’ireo sampandraharaha maro efa natao hatramin’izay. Miendrika fampitandremana ihany koa izao hetsika izao, satria hentitra amin’ny fampiharana ny lalàna mifehy ny tompon’andraikitra. Raha ny marina dia saika ahitana endrika kolikoly avokoa ny sehatra rehetra eto amin’ny Nosy.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.