Politique

Ady amin'ny “cyberminalité” Lasa fitaovam-piadian'ny fitondrana


  • Sabotsy 25 Aprily 2020

Toa manao ririn-dasa tsy tsaroina ny mpitondra ankehitriny. Raha tsiahivina dia ny taona 2018 dia nilanja vatapaty mihitsy ny olon` ny fitondrana ankehitriny hanehoana ny fitsipahana ny filoha teo aloha, Hery Rajaonarimampianina.

 

 

 

 

Saingy tamin` izany dia tsy misy no nigadra na nampanantsoina eny amin`ny sampan-draharaha misahana ny ady amin'ny “cybercriminalité”. Ny zava-misy amin` izao dia mirangaranga amin` izay maneho hevitra mafimafy manakiana ny fitondrana ny  ny fonja; ary misy fotoana tena ny fitondram-panjakana mihitsy no mpitory . Marina fa misy mihoa-pefy indraindray ireo mpikirakira aterineto; saingy ny mahagaga ny mpandinika dia tsy misy voakitika ireo manoso-potaka sy miteny ratsy ny olona sokajiana fa mpanohitra.Mitazam-potsiny ny manampahefana. Izay tokoa angamba ny hoe rehefa ianao no manao hadisoana dia ara-dalàna fa rehefa ny hafa dia tanisaina ireo karazana lalàna handetehana azy. Tsy tokony hisy mizana tsindrian' ila anefa ny fampiharana ny lalàna.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT