Mihevitra ny mpikambana CST Ramasy Adolphe fa rariny sy hitsiny raha nisafidy ny hampihemotra ny datim-pifidianana ny CENIT.
Araka ny fahitany azy dia mbola maro ny zavatra tsy milamina na eo amin’ny lafiny teknika io na politika. Na izaho tsy mpikambana ao amin’ny CENIT aza dia mahita fa tsy ho tratra ny fanatanterahana ny fifidianana amin’ny 8 mey, hoy izy. Voalaza mazava ao amin’ny tondrozotra mantsy fa atao aloha ny fampihavanam-pirenena, mihatra ny famotsoran-keloka, mipetraka ny fitoniana izay vao miroso amin’ny fifidianana. Hatramin’izao anefa dia tsy mbola tafatsangana ilay Filankevitry ny fampihavanana malagasy (FFM)».
Nasiany tsindrim-peo manokana ihany koa ny olana eo amin’ny resaka kara-panondro, satria olom-pirenena 8 hetsy mahery, voasoratra ao anaty lisi-pifidianana no tsy manana kara-panondro, zavatra mbola mila alamina daholo izany, hoy ity mpikambana CST ity. Ho an-dRamasy Adolphe dia manitsakitsaka ny tondrozotra, izany hoe manitsakitsaka ny lalàmpanorenana izay olona manome tsiny sy manakiana ny CENIT noho ny fanapahan-keviny hampihemotra ny fifidianana. Efa nifanekena, hoy izy fa ny CENIT miaraka amin’ny Firenena Mikambana no mamaritra ny zotram-pifidianana mandritra ny tetezamita. Ny tondrozotra, hoy izy dia efa lasa lalàna velona ary nampidirina ao anatin’ny lalàmpanorenan’ny Repoblika faha-4, koa fandikan-dalàna avy hatrany ny tsy fanarahana azy.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.