Politique

Administratera sivily Mitady seza ihany koa ?


  • Zoma 21 Janoary 2011

Nampaneno lakolosy ho an’ny mpitondra fanjakana tamin’ity herinandro ity ny sendikan’ireo administratera sivily nilaza fa ao anatin’ny fanavaozana sy fanatsarana ny fomba fiasa isika amin’izao fotoana, ka tokony hatao manara-penitra amin’izay ny zava-drehetra, indrindra fa momba ny fitantanan-draharaham-panjakana.

Nampatsiahy izy ireo fa niofana manokana ny amin’izany ny administratera sivily, izay tsy tokony ho mpanatanteraka ny baiko fotsiny fa mamolavola mihitsy ny paik’ady amin’ny fanatsarana ny fitantanan-draharaham-panjakana. Tsy tokony hisy intsony, araka ny fanambarana natao, ny hoe administratera sivily baikon’ny mpanolotsainana ministra, na mahazo teny midina avy amina mpanao politika ao anatin’ny fitondrana.

Tsy misy maharatsy ny fitakiana ny zo tahaka izao mihitsy, saingy ho an’ny olon-tsotra izay maharaka tsara ny zava-nitranga rehetra teto amin’ny firenena dia tsy afa-miala amin’ny savorovoro sy ny krizy rehetra nifandimby teto ny administratera sivily satria tao anatin’ny rafitra rehetra izy ireo ary tompon’andraikitra tamin’ny tsy fetezana maro, tahaka ny hala-bato sy ny hosoka tamin’ny fifidianana sy ny fitarazohan’ny fomba fiasa. Manontany tena ny raim-pianakaviana iray hoe : «nahoana moa no izao vao sahy mitsangana ny sendikan’ny administratera sivily, izay anisan’ny sendika matanjaka ary manana mpikambana maro. Miparitaka manerana ny nosy izy ireo ary mahalala tsara ny zavatra mitranga rehetra any amin’ny distrika sy ny Kaominina, koa nahoana no nangina foana am-polony taona ka izao vao taitra sy manao fanambarana etsy sy eroa ?». Manahy ny maro noho izany rehetra izany fa tratry ny tazon’ny ady seza ihany koa ireo administratera sivily sasantsasany ka hiditra lalindalina amin’ny fanaovana politika fa tsy hijanona intsony amin’ny maha teknisianina azy ireo.

 
RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT