Raikitra ny fifandonana sy fifamaliana teo amin'ny Filoha Lefity ny Antenimera, Rtoa Jocelyne Maxime sy ny Ben'ny Tanana Antsiranana I, Atoa Djavojozara Jean Luc omaly alarobia 18 martsa.
Niafara tamin’ny fifampikasihan-tànana raha tsy voasakana. Soa ihany fa nanatri-maso izany ny mpiandry manokana (gardes du corps) an'ity Depiote voafidy tao Antsiranana I, sy ireo polisy monisipaly, izay nisakana ny tsy hisian'izany fifandonana ara-batana tamin'ireto tompon'andraikitra roa ambony eo amin'ny fitondrana ireto. Raha ny fanazavana tsotsotra vonjimaika, dia tsy fifankahazoana amin’ny asa atao ao Antsiranana no voalaza fa antony. Toa voadingana sy tsy mba noresahina ny ben’ny tanàna amin’ny zavatra atao eo amin’ny tanàna iadidiany, ary ny depiote ihany koa mihevitra ny tenany ho manana ny marina satria volan’ny CLD no ampiasaina. Nandritry ny fifamaliana dia mihorakoraka ny mpomba an'ny Filoha Lefitry ny Antenimiera manao hoe, avelao izahay hiasa. Natao ho an'ny rehetra ny lalàna, izay indray ny fanambarana fohy nataon'ny Ben'ny Tanana'Antsiranana. Mazava ho azy fa misy tsy fitovian-kevitra eo amin’ireo samy olom-boafidy. Henjana ny teny nifamaliana ary tena nifanao iray sy iray mihitsy..raha nisy kely aza dia mety nifampikasi-tanana sy nifandratra.
Lonilony efa ela
Tsy vao izao ny lonilony eo amin’ny andaniny sy ny ankilany, raha zohiana ny tantara. Ben’ny tanàna lany tamin’ny anaran’ny vovonana MAPAR Atoa Djavojozara Jean Luc ny taona 2015. Tamin’ny fifidianana ben’ny tanàna farany teo anefa, dia nandeha tamin’ny anaran’ny tenany manokana izy noho ny lonilony teo aminy sy ny MAPAR. Lany tamin’ny isam-bato ambony 51,92% izy ary faharoa ny kandidan’ny IRK Miradji Velo Ali nahazo 30,97%, izany hoe: 21% be izao ny elanelana nandreseny ny IRK. Lojika raha tsy faly aminy sy mananga-tsandry ny olon’ny filoha Rajoelina. Fahita teto hatramin’izay tamin’ny fitantanana firenena ny fifanolanana eo amin’ny fanjakana foibe sy olom-boafidy iray izay tsy avy amin’ny antokon’ny fitondrana. Niharihary io hatramin’izay teto Antananarivo, afatsy tamin’ity indray mitoraka ity. Io fa miseho ihany koa any Antsiranana. Ny olom-boafidy iray na Filoha, na depiote, na ben’ny tanàna,… anefa dia misolo tena ireo vahoaka tsy ankanavaka hiadidiany, fa tsy ho an’ny antokony na izay nifidy azy. Tokony hajanona ny resaka loko politika na ny hoe: izay tsy lany tamin’ny lokon’ny mpitondra, dia atao ankilabao sy antsojay. Mila hajaina ihany koa ny fitsinjaram-pahefana. Tsiahivina hatrany fa ny 20 mey 2019, dia nilaza ny filoha Rajoelina tany Tsiroanomandidy fa na mena na manga na loranjy, dia hampiana avokoa. Izay tokoa ve no zava-miseho ankehitriny ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.