Politique

Adilahy politikan’ny mpitondra Miha mitoka-monina i Rajoelina


  • Zoma 01 Aprily 2022

Hafahafa ny rivotra politika mitsoaka ao anatin’izao herintaona sy tapany tsy hahatongavan’ny fifidianana izao. Toa voahilika tsikelikely ireo olona tena nandrafitra izao Fitondrana izao,

 niainga tany amin’ny raharaha 2009 naha Rajoelina an-dRajoelina, hatraty amin’ny 2018 ka haramin’izao 2022 izao. Toa nisy nahintsana tsikelikely ireo tena niara-dia tamin-dRajoelina sy tena nifofotra ara-politika. Nisy ireo mpiara-dia hatry ny ela, fa tao ihany koa ireo tato aoriandriana toa diso safidy ka nanimba azy ny fidirana tao anatin’izao Fanjakana izao. Niaraha-nahita ny savorovo goavana tao anatin’ny governemanta niafara tamin’ny fanovana farany teo. Voalaza fa olona isan’ny tena akaiky ny Filoha izay Minisitry ny fitsarana teo aloha Imbiki Herilaza izany, saingy ireny no niafarany. Olobe ao anatin’ny governemanta ihany no voalaza manao ny fanenjehana fatratra azy ankehitriny. Mety manana ny vatony ireny any Antsinanan’ny Nosy. Isan’ny atidohan’ny 2009 izany Roland Ratsiraka izany, fa nanenjika ity Fanjakana ity sy ireo manodidina ny Filoha noho ny ampihimamba ara-toekarena, mety misy fifampikitihana bizina,… Niara-nitoto sy nahandro nahamasaka ny 2009 sy ny 2013 ary ny 2018 nakana fahefana ry Hajo Andrianainarivelo sy ny Antokony, saingy io hongotana hatramin’ny fakany ao anaty Fitondrana io. Fanapahan-kevitra goavana ara-politika ary mitaky fahasahiana izany fanesorana ny Sekretera Jeneralin’ny Fiadidian’ny Repoblika izany, saingy iny nahilika nandritra ny Filankevitry ny minisitra farany teo iny Atoa Valery Ramonjavelo nandritra satria avy amin’ny Antoko MMM (Malagasy Miara-Miainga) an’Atoa Hajo Andrianainarivelo. Nihena am-pitoerana ireo tena mpanao politika tao anatin’ny governemanta, ary ireo tavela toa somary maivamaivana ny tanjany. Nosokajiana ho sarotra ny hanilika an’izany Tianarivelo Razafimahefa minisitry ny atitany teo aloha isan’ny angady nananana ny fifidianana nahalany an-dRajoelina izany, saingy voaahaisotra ihany. Ny Minisitry ny serasera sy ny kolontsaina Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy sisa olona voalaza fa mpiara-dia ara-politika tamin’ny filoha hatrizay tavela. Mety misy hafa ao, saingy tsy dia hita taratra ny tanjaka ara-politikany. Fahatsapana fahalemena ara-politika no niantsoana sy nampidirana ireo lehiben’Antoko vitsivitsy ao anatin’ny governemanta, saingy ny eo izay voasokajy ho isan’ny nanana tanjaka politika faharoa tao anatin’ny Fanjakana Rajoelina aza nisintaka.

TENA AFAKA HAMPANDRESY VE ?
Toa olona tonga tato aoriana, tsy manana tanjaka ara-politika, tsy afaka hiaro an-dRajoelina no ao anaty fitondrana, ary raha ny hita taratra aza dia tahaka ny misy politika avo lenta hampitokanana monina ny Filoha ankehitriny. Ara- politika, betsaka no hinono fotsiny ao anaty Fanjakana no tanjony, ary ho mora aminy ny hiala ny sambo rehefa mitady ho rendrika. Ny ady an-trano anatin’ny Fitondrana ihany koa etsy andaniny mandemy hatrany ny Filoha sy ny ekipa, tahaka ireny depiote sy governora mifampitandroka, depiote sy minisitra,,… Nisy aza moa ny Filoha mihitsy no nitandro depiote. Fanavaozana ara-politika ve ny fifanilihana sa kajy politika avo lenta? Ny sary miseho dia toa mametraka ho lojika ny mety ho faharesen-dRajoelina amin’ny 2023.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika sy jeopolitika
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mifaninana mafy eto i Lafrantsa sy Rosia

  • Delegasiona avy amin'ny SADC
  • Alarobia 13 Mey 2026

Nitsidika an'i Rinah sy Marie Michelle tany am-ponja

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT