Niteraka resabe tato ho ato ny amin`izay ho lehiben`ny mpanohitra taorian`ny fanambarana nataon`ny antoko Tiako I Madagasikara (TIM) ny herinandro lasa teo fa hijoro ho mpanohitra ny TIM.
Miteraka adihevitra kosa eo amin`ireo antoko politika ny amin`ny hoe iza no hitarika izany ? Tsy voatery ny filoha teo aloha, Marc Ravalomanana, no mitazona io toerana io, hoy i Lalatiana Ravolomanana, avy ao amin`ny antoko Manda ho an`ny firaisam-pirenena. Kajikajy politika no misy amin`izao fotoana ka miantso ny fampivondronan-kery eo amin`ny mpanohitra ny tenany, araka izany, ary hifidy ho izay lehiben`ny mpanohitra eo anivon`ny Antenimieram-pirenena. Volana vitsivitsy lasa izay, voalohany nanambara ofisialy ny maha mpanohitra azy aloha ny antoko Manda ho an`ny Firaisam-pirenena. Ny eo anivon`ny CRN (Comité pour la réconciliation nationale) dia mikasa hampivory ireo hery politika mba hisian`ny adihevitra amin`ny fanoherana. Raha tsiahivina, manana toerana iray eo anivon`ny Antenimieram-pirenena ny mpanohitra ka andrasana izay hitarika. Dimy taona lasa izay, banga ny toeran`ny mpanohitra teo anivon`ny Antenimieram-pirenena ary maro no niady ho lehibeny ka rava ho azy teny. Nisy ny fandrafetana ny sata mifehy ho an`ny mpanohitra tamin`ny taona 2014 izay niarahana tamin`ny antoko politika maro an-jatony. Fanoherana lavareny tsy mitombina no nisy sady nipetraka eo amin'ny fanaratsiana olona ihany eto Madagasikara. Ny mpitondra ihany koa mialoka hatrany amin`ny hoe “faharaminan-toerana ara-politika”. Mangina sy tsy miteny ny rehetra satria ilaina, hono, io. I Madagasikara dia mila mpanohitra mijoro amin`ny fahapotehana ataon`ireo olom-bitsy mihodinkodina ao anatin`ny fitondrana ao. Mila mpanohitra sahy ny fampanjakana ny tany tsy tan-dalàna, manomboka amin`ny fanitsakitsahana ny lalàmpanorenana, izay tsy misy hasiny intsony.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.