Ny antoko TIM dia nandray ny toeran`ny mpanohitra tamin`ny fomba ofisialy araka ny fanambarana nataon`izy ireo teny amin`ny minisiteran`ny atitany.
Ny lalàna 2013-013 no mamaritra ny sata mifehy ny mpanohitra eto Madagasikara, izay tsy dia mitovy loatra amin’ny foto-kevitry ny governemanta ny foto-kevitra ijoroany. Handray ny toeran`ny filoha lefitry ny Antenimieram-pirenena ve i Marc Ravalomanana, filoha nasionalin`ny antoko TIM sa ny iray amin`ireo depiote TIM 16 lany no hanao izany ? Voalazan`ny lalàmpanorenana mantsy fa filoha lefitra fahafito dia an`ny antoko mpanohitra. Ny lalàmpanorenana mihitsy no mitaky sy miantoka ny zo hanohitra. Banga io toerana io teny Tsimbazaza nandritra ny fitondrana HVM. Efa nilaza ny TIM fa tena hiasa ho an’ny tombontsoam-bahoaka ary tsy hisorona hamaky bantsilana ny tsy mety sy ny tsy rariny, hanolotra vahaolana koa anefa. Efa fantatra tsara ihany koa ny fomba fiasan’izao fitondrana izao sy ny olony fa maro ny andrankandrana sy bontolo ka azo antoka fa hangotraka ny adihevitra, indrindra rehefa mandalo eny ny governemanta. Ny depiote manohana fitondrana sy ny manohitra rahateo samy manana olona henjana amin’ny adihevitra sy tsy maty am-bavany.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.