Nanan-karem-baovao ny andron’ny alakamisy 30 janaory 2014. Teo ny fandraisam-pitenenana voalohan’ny filoha Hery Rajaonarimampianina teo anivon’ny Fivoriamben’ny Vondrona tanterahina any Addis-Abeba renivohitr’i Etiopia, izay eo amin’ny andiany faha-22 tamin’ity taona ity, natao ny 30 sy 31 janoary, izay manamarika ny fiverenan’i Madagasikara eo anivon’ity vondrona ity indray.
Nifanindran-dalana tamin’io ny nanafoanan’ny vondrona SADC ny sazy nihatra tamin’i Madagasikara ary dia mandray ny toerana eo anivon’ity vondrom-paritra ity ihany koa i Madagasikara manomboka izao. Fa ny vaovao anisan’ny lehibe, nanamarika io omaly io dia ny fihaonana manokana teo amin’ny filoham-pirenena teo aloha Marc Ravalomanana sy ny filoha Hery Rajaonarimampianina tany Addis-Abeba. Tsy nisy nandiso na koa nanamafy ny fisian’io fihaonana ireo olona akaiky ny filoha roa tonta saingy raha ny vaovao niely tamin’ny aterineto, indrindra ny facebook hatry ny halina dia “feno fifanajana sy tamim-pirahalahiana tokoa ny fihaonana”. Samy manana ny mety handraisana izao fihaonana izao ny tsirairay fa ny azo antoka dia ny tombontsoam-pirenena sy ny vahoaka Malagasy no nanosika azy mirahalahy ireto ho amin’izao fihaonana izao. Olona mifankalala tsara rahateo izy ireo, eo ny maha samy Malagasy azy ireo fa efa mpiara-miasa akaiky ihany koa raha tsy hiteny afa-tsy teo anivon’ny orinasa TIKO fotsiny. Heverina ihany koa fa tenin-dehilahy ka ho tanany ireny nataon’i Hery Rajaonarimampianina nandritra ny nanaovany fianianana teny Mahamasina ny sabotsy 25 janoary ireny, nilazany ho ren-tany ho ren-danitra fa “maodely sy fitaratra ho an’ny kaontinanta Afrikanina ny demokrasia sy ny fampihavanana Malagasy” ary nampiany fa “tsy efa mba ampy ve izay ireo disadisa nampisara-bazana ! Koa sao lahy fotoanany izao hanandratantsika ny firaisankinam-pirenena fa iray ihany ny Malagasy”. Izy rahateo mamerimberina hatrany fa hampifototra ny asa fampandrosoana ataony ao anatin’ny fampihavanam-pirenena, ka “tsy hanao hazalambo” ny lasa. Andrasana, araka izany, izay ho tohin’izao fihaonana izao ary inoana fa hanome fanazavana misimisy kokoa manodidina izany ingahy prezida Hery Rajaonarimampianina rehefa tafaverina an-tanindrazana.
JD
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.