Politique

A & C Ivato Hatao lavanty amin`ny 4 martsa ireo entana nogiazana


  • Alatsinainy 02 Martsa 2020

Nofoanana avokoa ny lanonam-panambadiana sy lanonana samihafa tokony horasin’ny A&C Hotel Ivato omaly sy amin'ity herinandro ity,

 

 

 

hoy ireo mpiasa taorian'ny fanagiazana ny entan'ny hotely rehetra ny zoma lasa teo. Ny alarobia 4 martsa izao no hatao lavanty ireo entana nalaina tao. Tsiahivina fa ny taona 2017 no notanana am-ponja i Claudine Razaimamonjy tompony. Mbola nihodina hatrany anefa ity trano fandraisam-bahiny ity izay nanohy sy nandray lanonana samihafa. Tsy lavina hatrany fa misy ny hetra tsy voaloa kanefa ireny orinasa ireny ihany koa no mampitombo ny harinkarena eto amintsika. Maro moa ny fanehoan-kevitra, indrindra teo amin`ny tambajotran-tserasera fa mitombo isa hatrany ny tsy an`asa. Mila mijery akaiky an`ireto farany ireto anefa ny fanjakana satria tsy hisy raharaha vanona ao raha gaboraraka hatrany ity sehatra ity. Tandrovana ny asan'ny mpiasa. Efa nisy ve ny dingana natao nialoha izao fepetra izao ? Tsy tokony hampiana sy tandrovana ve ny orinasa Malagasy izay mamorona asa maro ? Raha tsiahivina dia ny orinasa PMU Madagascar dia nakatona ihany koa. Niisa 800 ireo olona very asa. Ny Hotel A&C dia nampiasa olona manodidina ny 200 isa. Izany hoe 1 000 ireo very asa. Ho lesona ho amin`ny manaraka ihany koa an`ireo orinasa maro tsy mpandoa hetra eto amintsika anefa izao. Etsy an-kilany, maro ireo fanehoan-kevitra fa misy ambadika politika ity raharaha ity ary hanomboka ny valifaty politika atao amin`ireo olon`ny antoko HVM. Marihina fa i Claudine Razaimamonjy dia mpanolotsaina manokan`ny filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina.  Ny zava-misy aloha hatreto dia ny vahoaka tsotra no mizaka ny fahantrana mitombo isan’andro.

 

 

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT