Politique

850 tapitrisa euros ho an’ny covid-19 Mitaky tatitra mazava ny Mpamatsy vola


  • Talata 14 Desambra 2021

Nambaran’ny Lehiben’ny Delegasionina lefitry ny Vondrona Eoropeanina misahana an’i Madagasikara sy ny Vondron’ny Nosy Kaomoro Sergiuz Wolski,

 fa tatitra mafonja sy tena mendrika ny nataon’ny Fitsarana misahana ny kaonty ny 10 desambra teo momba, saingy misy tsy fahampiana. Marihina moa fa ny momba ny ARTEC (de régulation des Technologies de communication de Madagascar), ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany sy ny tamberiny any amin’ny Vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana, ary ny fitsirihana ny karaman’ny mpiasam-panjakana tamin’ny alalan’ny rindram-baiko « Augure » no nanaovana tatitra ka an-jatony miliara ny vola very tamin’ireo sehatra 3 ireo. Naneho ny fomba fijerin’ny mpamatsy vola io diplaomaty io, ka ny tena zava-dehibe amin’izy ireo no adino, raha zohiana ny nambarany. Ny fahatongavan’ny Vondrona Eoropeanina nanatrika ny tatitra dia maneho ny fanohanan’izy ireo sy ny fanehoany, fa tena zava-dehibe ny fisian’io rafitra io. Notsipihiny kosa ny tokony nampidirina ny fitsirihana sy fanadihadiana lalina mikasika ny fandaniana ny vola azo tamin’ny valanaretina coronavirus. Tombanana ho manodidina ny 850 tapitrisa euros eo izany, ary milaza ny Vondrona Eoropeanina fa ny fahenoan’izy ireo azy dia voalaza fa eo anivon’ny Minisiteran’ny fitsarana izany izao, ka dia miandry ny famoahana sy fampahafantarana izany izy ireo. Adihevitra efa hatry ny ela, ary niteraka ahiahy samihafa ny fomba nampiasan’ny Fanjakana Rajoelina ny volan’ny covid-19. Maro ny ahiahy mombana kolikoly goavana niteraka adihevitra teto toy ny raharaha « bonbons sucettes », « écrans plats »,… Ny fomba firesaka mifanipaka, toa ny nilazan’ny Minisitry ny serasera fa nindramina ireo tsy mataho-dàlana sy fiara samihafa nampiasaina, raha toa ka nilaza ny Filoha fa novidiana,… Ireny rehetra ireny, dia maneho fa tsy azo antoka ny mpitondra Malagasy amin’ny fitantanam-bola ary ahiana foana ny kolikoly. Vao avy namerina ny volan’ny Banky iraisam-pirenena noho ny fitantanana tsy mangarahara tao amin’ny Jirama ka ny vola no voaverina fa ireo mety nanakepoka na nonodim-bola toa tsy misy resaka. Mbola nangataham-panazavana arahina porofo tsy misy hosoka hatramin’ny rahampitso 16 desambra momba ny fandaniam-bola sasany, izay azo toa midika fa tsy azo itokisana sy ahiana ho manao fanambarana hosoka ny Mpitondra Malagasy momba ny fandaniana ireny famatsiam-bola ireny. Lojika raha tsy mahatoky ny olona, ary ny hita tato ho ato, dia aleon’ny sehatra iraisam-pirenena mitantana mivantana na manome mitsitaitaika ny famatsiam-bola na tohana ara-bola omeny.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT