60 taona katroka ny nahazoana ny fahaleovantena isika ankehitriny saingy marobe ireo zavatra mbola tsy niova.
Nikarakara famelabelarana tetsy amin’ny centre arrup Faravohitra araka izany omaly ny Hetsika Fampiraisana Kristiana ho an’ny Firenena, notarihin-Randrianasolo Arimino Tiana mpandrindra nasionaliny, nanasana ireo olona manam-pahaizana maro sy ny sarababem-bahoaka. Lohahevitra novoaboasana nandritra izany ny hoe : ny 60 taona nahazoana ny fahaleovantena. Tanjona ny hahafahana manangona ny hevitry ny tsirairay hahafahana mijery ireo lafin-tsaran-javatra tokony hotohizana sy hatsaraina hahafahana mampandroso ny firenena raha toraka izany ihany koa ny fitondrana ireo fomba fijery vaovao tokony hampitaina maika mba ho lovain’ny taranaka faramandimby. Tsy latsa-danja amin’izany ny fijerena ny soa toavina Malagasy mba hahafahan’izany miverina eny anivon’ny fiaraha-monina sy ny firenena. Ny mba hahafahana mandrafitra ny hevitra rehetra azo harindra ao anatin’ilay harambaton-kevitra no tanjona goavana izay mbola hiampita amina lohahevitra maro hatramin’ny sabotsy 12 desambra ho avy izao. Ny fahalovana sy ny fahamarinana indray no hakana ny hevitry ny maro amin’ny Alarobia 28 Oktobra ho avy izao.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.