Politique

300 tapitrisa dolara hanafaram-bary Famonoana ny tantsaha Malagasy


  • Alarobia 29 Septambra 2021

« Famonoana ny tantsaha eto Madagasikara, ary famelomana ny tantsaha any Inde sy ireo mpanafatra ary mpisera vary, ny fanafaram-bary hatrany eto amin'ny firenena.

 Tany misy, teknika voafehy, injeniera sy teknisianina misy, rano feno fa tsy fehezina, mpiasa feno tsy an'asa, ny fotodrafitrasa efa vita tsy karakaraina, misy mihitsy aza ny fikasana ny anome ny vahiny tany midadasika hambolem-bary », hoy i Patrick Raharimanana omaly tao amin’ny tambajotran-tserasera. “Tsy rehareha izany fanafarana vary sy PPN mahafeno 20 sambo isa izany, fa henatra mampisitri-belona ho an'ny firenena tokony ho mpamboly vary sy mpanondrana vary ary mpamokatra vokatra ilaina an-davan'andro aty amin'ny Ranomasim-be indianina sy aty Afrika”, hoy izy. Nambarany fa anisan'ny voly fohy ezaka ny vary, 6 volana raha be indrindra, ary maro ny faritra mamokatra in-droa isan-taona. Mbola azo ampifandimbiasina amin'ireo voly avotra ihany koa izay 3 volana dia vita. Raha 400 000 taonina no nafarana isan-taona teo aloha, dia nampakarina ho 600 000 taonina, ary izao lasa politika sosialy, kaly sy vatsy tsinjo, ary natao politika ampidinana ny vidim-bary vokarin'ny tantsaha eto an-toerana. Raha manodidina ny 500 dolara na 1 960 000ar (1$ = 3920ar) eo ny taonina vary eo amin'ny tsena iraisam-pirenena, na 1 960ar/kg, mbola miampy ny saram-pitaterana sy ny « assurance » ary ny transitaire, ny saran'ny fampiakarana sy fampidinana ny entana anaty sambo, ny stockage, ary ialan'ny simba sy lo, dia hiakatra ambonin'ny vidim-bary eto an-toerana ny vary hafarana, tsy hilazana ny haban-tseranana tokony aloa, nefa azo antoka tsy andoa haba ireto vary afarina ireto. Any amin'ny 300 000 000 dolara (1 176 miliara ariary) izany ny vola vahiny avoakantsika hanafaram-bary, nefa ny tsenan’ny lavanila potehina sy fehezin'olom-bitsy, ny volamena giazana tsy misy mahazo manondrana any ivelany, na dia mbola mandeha ny famoahana antsokosoko ny harem-pirenena, 15taonina isan-taona raha ny tarehimarika navoakan'ireo fikambanana iraisam-pirenena. Volabe 1 176 miliara ariary izany no natokana ambolem-bary, ampidirana rano, anamboarana lalana sy tetezana amoaham-bokatra, dia Malagasy firy no nahazo tombony, ankoatran'ireo Malagasy manjifa ny vary tsara eto an-toerana, toy izay anjifa ny poti-bary afarana (riz 1 ou 2 fois cassé). Ny fambolem-bary dia afaka mampiditra 35 miliara dolara ao anatin'ny 5 taona, raha akarina 4,5taonina/ha fotsiny ny « rendement » na taham-pamokarana, akarina 15%-n'ny tany eto Madagasikara no hambolem-bary, fa tsy mijanona ho 5% ankehitriny fotsiny. Nanolo-kevitra ny hametrahana minisiteran’ny vary i Patrick Raharimanana.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT