Ny 10 febroary no nilazan’ny Sekreteram-panjakana miadidy ny tanàna vaovao sy ny toeram-ponenana eo anivon’ny Fiadidian’ny Repoblika,
fa mitohy ny asa famaritana ireo lalana ao anatin'ny tanana vaovao Tana-Masoandro ao Imerintsiatosika dia ny avenue 3,7 km, lalana mampifandray ny faritra rehetra ao anatin'ny tanàna ary ireo fitsinjarana zana-paritra isan'isany. Tsy fotoanan'ny resabe intsony izao fa tonga dia asa, hoy, izay nijery ny fandrosoan'ny asa. Novoizina hatrany am-piandohana hatramin’izao fa ny fanorenana ny tanàna vaovao Tana-Masoandro no vahaolana lehibe entin'izao fitondrana izao hamahana ny olan'ny tanànan'Antananarivo ateraky ny ny tsindry entin'ny fitomboan'ny mponina haingana loatra. Tsy azo sakanana izany ka mitombo ny filana toerana hanorenana sy hampiasaina. 982Ha no velaran-tany voafaritra hanajariana izany tanana vaovao izany ao Timahabeomby Imerintsiatosika, Distrika Arivonimamo, Faritra Itasy. « Ny tapaky ny volana martsa izao no ho vita tanteraka ireo famaritana atao ka hahafahana miroso amin'ny fanorenana amin'izay. Hatreto, eo am-panatanterahana ireo dingana samihafa amin'ny fikarakarana ny tanim-panjakana teo aloha izay efa nisy nangataka ka nahazoan'olon-tsotra titra na karatany, dia ny tanim-panjakana madiodio aloha no hanatanterahana ny asa rehetra fanombohana, hoy ny nambara tamin’izany », hoy i Gérard Andriamanohisoa. Asa aiza ho aiza izany izao? Hatraiza ny fivoaran’ny asa? Ity tanàn-dehibe no nolazaina fa hanatantehana ny Lalaon’ny Nosy 2023 ? Ho vita araka ny fampanantenana ve ny Tana-Masoandro ? Misy vola hanaovana azy ? Raha misy nahoana no mitaredretra tahaka izao ? Raha haka ohatra, 6 miliara dolara eo no ilain’ilay mpanakanto malaza Amerikanina, manana fihaviana Sengaley, Akon Tanan-dehibe « Akon City » any Sénégal. Any amin’ny 2029 ny tetiandron’ny fahavitany. Ny Mpitondra antsika kosa 16 volana eo sisa hananany, raha miala 60 andro mialohan’ny fifidianana ny Filoha. Vao ny fandravonana ny tany (terrassement) dia mety handany 725 tapitrisa dolara amin’io velaran-tany hatrany amin’ny 1000 ha io. Ny vola lanin’i Madagasikara isan-taona amin’ny alalan’ny trosa 500 tapitrisa dolara eo. Ny tomban’ny harenantsika 15 miliara dolara eo,.... Ny vina goavan’ny mpitondra ambony lavitra noho ny tomban’ny harena manontolo ny sandany. Inona no ho zava-bita amin’izany? Sa ho tahaka ny “maquette” natao tao Fianarantsoa sy tany Ambilobe hatrany ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.