Nanamafy omaly ny avy eo anivon’ny minisiteran’ny asa sy fampananan’asa ary asam-panjakana sy ny lalana sosialy fa andro fiasana soa aman-tsara rahampitso alarobia 14 oktobra 2020.
Rehefa nampifandraisina amin’ny zava-misy ny fanambaran’ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, izay milaza fa tsy ho manetriketrika indray ny fankalazana ity faha 62 taonan’ny repoblika voalohany ity dia notapahan’ity minisitera ity ihany koa fa andro fiasana ihany, araka izany, rahampitso. Tsy tanteraka indray ihany koa araka izany ny fampanantenana nataon’ny filoha ny amin’izay fankalazana amin’ny fomba miavaka ny 14 oktobra amin’ity taona ity izay. Raha tsiahivina moa dia noho ny tsy fahafahana nankalaza ny 26 jona toy ny isan-taona no anton’ny fikasana nankalazana tamin’ny fomba miavaka ny 14 oktobra, amin’io no hifety ny vahoaka Malagasy hoy ny filoha, saingy ….. Mbola tsy foana hatramin’izao anefa ny fahamehana ara-pahasalamana eto Madagasikara izay maro no mametraka fanontaniana ny amin’ny antony tsy hahasahian’ny fitondram-panjakana manala azy io ka manazatra ny olom-pirenena hiaina miaraka amin’izay toy ireo misy any amin’ny firenen-kafa.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.