Politique

12 taona ny « Lundi Noir » Nitondra nankaiza marina ny hetsika 2009 ?


  • Talata 26 Janoary 2021

Feno 12 taona katroka amin’ity anio ity ny 26 janoary 2009, andro iray

 

 

nanamarika ny tantaram-pirenena Malagasy, kihon-dàlana nitondra ny firenena nankany amin’ny haizina, raha jerena amin’ny vokatra nentiny. Io ilay “lundi noir” na alatsinainy mainty, nisian’ny fandorana sy ny fandrobana, ka naha mainty tanteraka ny lanitra teto Iarivo. Io no isan’ny ivon’ny fanonganam-panjakana tamin’izany, ary isan’ny famotehan-javatra be indrindra teto amin’ny firenena tao anatin’ny 60 taona noho ny tsy fitovian-kevitra ara-politika. Orinasa maro no kila forehitra, ka ny an’ny Vondrona Tiko misy orinasa 11, dia 1461 miliara Ar mahery no totaliny, raha ny fangatahana fampiharana ny tondrozotra nataon’izy ireo ny 30 septambra 2020 teny amin’ny CFM. Ny Filoha Ankehitriny Andry Rajoelina no nitarika ny hetsika tamin’izany fotoana izany, niainga tany amin’ny fitakiana fialana minisitra mpikamban’ny governemanta, niafara tamin’ny fitakiana ny hialan’ny filoha am-perin’asa Marc Ravalomanana. Somary naharatsy endrika ny Filohan’ny tetezamita ny raharaha 26 janoary ka nihalefy ny hetsiky ny 13 mey, kinanjo raikitra indray ny raharaha 7 febroary nampivaivay indray ny fanonganana, ka tany amin’ny 17 martsa 2009 dia namindra ny fahefana tany amin’ny “Directoire militaire” ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana, saingy voaambana basy sy nohorohoroina tetsy amin’ny Episcopat Antanimena ireo manamboninahitra sy mpitondra fivavahana. Nafindra tamin’Atoa Rajoelina ny fahefana rehefa nidingin-drambo ny miaramilan’ny Capsat nanampy azy.

NIHEMOTRA

 12 taona aty aoriana, nitondra nankaiza ny revolisionina volomboasary ? Fandrosoana sa fihemorana ?Efa mazava be fa nihemotra satria :  70% tany ho any ny tahan’ny fahantrana mialoha kelin’ny taona 2009, ankehitriny izy efa manafosafo ny 90%. Firenena maodely teo amin’ny fampandrosoana taty afrika i Madagasikara tamin’izany fotoana ary 7,3% ny fitomboan’ny harinkarena, ankehitriny faharoa mahantra indrindra maneran-tany. Ny 5 janoary teo: "Raha tiantsika handroso ny firenena dia zava-dehibe ny fifandimbiasam-pahefana ara-demokratika satria mampiorina ary mitondra mankany amin’ny fampandrosoana andrandrain’ny vahoaka… Vao tsy tratra izany ao anatin’ny fifidianana 4 mifanesy ho avy, dia sarotra ho antsika ny hanatratra ny fiakaran’ny harin-karena sy hampivoaka an’i Madagasikara ho sangany aty Afrika", hoy i Andry Rajoelina nanome lesona. Efa niova sy tonga saina ve izany ny Filohantsika ?

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT