08 martsa tao Toliara

> Lasa fanehoan-kery politika sy fitakiana an-kolaka


  • Alatsinainy 10 Martsa 2014

Niavaka sy nanaitra ny mpanara-baovao ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny vehivavy ny sabotsy 8 martsa teo, tany Toliara.

Tsy toy ny fahita mahazatra isan-taona ny filaharambe notanterahin’ireo andriambavilanitra tamin’ity indray mitoraka ity. Raha fikambanam-behivavy tsotra sy mpanao asa soa, mpiasa miankina na tsy miankina amin’ny fanjakana, mpanao fanatanjahantena, dia namokovoko sy niezaka nampiseho ny heriny ireo antoko sy fikambanana politika raha somary natoritory teo aloha. Nanaitra ny maro ny karnavalin’ny TGV sy ny fikambanana FIVEMITO (Fikambanan’ny Vehivavy Miray eto Toliara) tarihan-dRtoa Yvonne Razananjanahary. Niranty teny amin’ny sorabaventy nentin’izy ireo ny hoe : «Toliara, PM Haja Resampa ihany», «Tsy miala amin’ny PM Haja Resampa Toliara», «Haja Resampa, manaraka ny voalazan’ny lalampanorenana». Tamin’ny indray mitoraka ity dia lasa fanehoan-kery politika sy fitakiana an-kolaka ny andron’ny valo martsa na dia noezahina navoitra aza ny miralenta. Mety hitondra hery vaovao ho an’ny vehivavy ao Toliara indray izany ny fijoroan’ny Repoblika fahefatra ity raha tarafina amin’ny fihetsiketsehana ataon’izy ireo.

 

E.R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT