kolontsaina

Zava-kanto malagasy Endrika vaovao hahaliana ny vahiny


  • Sabotsy 08 Septambra 2018

Anisan`ireo mpandray anjara amin`ilay fampirantiana lehibe any Parisy Frantsa manomboka ny 18 septambra izao hatramin'ny 1 janoary 2019 i Madagasikara.

 

 

 Zavakanto malagasy maherin’ny 350 isa no haranty ao amin'ny mozea Quai Branly-Jacques Chirac ary nosafidiana manokana noho izy ireo mirakitra tantara mahakasika ny ankamaroan`ireo foko eto amintsika sady noho ny hakanton`izy ireo. Hizara faritra telo lehibe ny fampirantiana ka ny voalohany, dia ny fampahafantarana ny tantaran'i Madagasikara sy ny toerana misy azy eo anivon’izao tontolo izao ka ireo vakoky ny taonjato faha-19 sy faha-20, nanamarika ny vanim-potoana faha mpanjaka sy ny fanjanahantany no ho hita ao. Ny faritra faharoa indray dia natokana ho an'ny kanton'olombelona, eo ambany fiahian'ny vintana ka havoitra ao ny lanjany sy ny dikan’ny toerana ao anaty trano sy ny fitaovana nampiasaina, ho an'ny Malagasy. Ny faritra fahatelo farany, ny fanomezan-danja ny tontolo tsy hita maso sy ny fahafatesana. Maro ny tombontsoa ho azon`ny Malagasy amin`ny karazana hetsika toy izao, hoy ny minisitry ny kolontsaina, ny asa tanana ary ny vakoka, Johasy Eléonore. Voalohany, fampirantiana talenta Malagasy, haitao Malagasy ary ny maha Malagasy an`ny Malagasy. Eo amin`ny lafiny famoronana, ho hitan`izao tontolo izao fa manan-talenta ny Malagasy ary eo amin`ny lafiny rehetra. Nilaza izy fa endrika vaovao sady mety hahaliana ny vahiny ny zavakanto Malagasy ary endrika hafa ankoatra ireo biby, fizahantany… no hafantarana an`i Madagasikara. Afaka hisokatra amin`ny hafa ihany koa ireo Malagasy manan-talenta ary mety hahita seha-pivelarana vaovao. Mila fahaiza-manao manokana na dia eo aza ny talenta saingy kosa tsy misy ny “Ecole des beaux arts” eto amintsika, hoy ihany izy. Hitondra ainga vaovao ho an`ny kolontsaina Malagasy izany hetsika fampirantiana izany ary mety hisy firenen-kafa mety iaraha-kiasa amintsika. Anisan’ireo mpanakanto ankehitriny, hanana asa tanana haranty ao anatin’ity fanomezan-danja manokana an’i Madagasikara ity i Temandrota sy Rtoa Zo, mpanakanto miompana amin’ny “art plastique” ary i Pierrot Men, mpaka sary. Afaka hitsidika an`ity fampiratiana ity, avy lavitra amin`ny alalan’ny aterineto, manomboka ny 24 septambra ho avy izao.

Marigny A. sy Tsirinasolo

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Nanandratra avo ny gadona Tsapiky
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Anisan’ny notoloran’ny

  • MPANANKATO NICO -LAH-STAR
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Maty nisy nisompatra

  • Honorat Fou hehy
  • Zoma 17 Aprily 2026

Efa tsara fandraisana

  • Festival de Tsapiky
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

Nafaran’ny fitondram-panjakana manokana i Tirike

  • Tsaho ny filazana fa maty
  • Talata 07 Aprily 2026

i Honorat Fou hehy

Hijery ny tohiny
FTT