ZAVA-KANTO HIADIANA AMIN’NY HERISETRA

11 mianadahy ireo voafantina hampita hafatra


  • Alatsinainy 23 Septambra 2024

Miisa 11 mianadahy ireo tanora voafantina tamin’ilay fifaninana Kanto am-bava nokarakarain’ny CDA

Andohatapenaka hampitana hafatra momba ny herisetra mifototra amin’ny mahalahy sy mahavavy mpahazo ny olona eto amintsika. Naneho ny fahaiza-manaony teo anatrehan’ireo tompon’andraiki-panjakana isan-tsokajiny nahitana ireo mpitantanana ny ivon-toerana mandray an-tanana ireo olona hiharan’ny herisetra, ny mpitandro ny filaminana…. izy ireo ny faran’ny herinandro teo. Fantatra nandritra izany fa anisan’ny nampiavaka azy ireo ny fandresen-dahatra ao anatiny mikasika ny tokony handraisana fepetra momba ny ady amin’ny herisetra eto amintsika indrindra fa ny fanolanana mahazo ny ankizy izay misy hatrany no sady miharatsy endrika. Anisan’izany ireo Ray niteraka mahavita manolana sy manimba ny zanany vavy. Tanjona ao anatin’ity kanto am-bava izay talenta hananan’izy 11 mianadahy ity araka izany ny mba hahafahany mampita hafatra tsy miato amin’ireo voakasika indrindra fa ny fiaraha-monina izay fototra hipoiran’izy ireny.
Pati
Legende : Mamoaka tanora manan-talenta maro tahaka izao hatrany ny CDA Andohatapenaka!
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

  • REKO
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

AMIN'NY 20 SEPTAMBRA Etsy amin'ny lapan'ny

Hijery ny tohiny
FTT